Bokin'Izaia

Toko faha-24

1 Indro Iaveh handrava ny tany manontolo sy hanavitsy ny mponina aminy, ny vohon'ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.

2 Ary ho sahala ihany no hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompo sy ny mpanompo, ny tompovavy sy ny andevovavy, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpisambotra sy ny mpampisambotra.

3 Hosimbana sy hatolotra horobaina, ny tany, fa izany no teny notononin'ny Tompo.

4 Ny tany misaona sy majifa; izao tontolo izao, milofika sy majifa; ny nalaza indrindra amin'ny mponina eto an-tany milofika.

5 Voaloton'ny mponina aminy, ny tany, satria izy ireo nandika ny lalàna, nivadika tamin'ny didy, nandrava ny fanekena mandrakizay.

6 Noho izany ny tany levon'ny ozona; ny mponina aminy, mivesatra ny valin'ny helony: ka dia levona ny mponina amin'ny tany, fa vitsy ny isan'ny olona tavela.

7 Ny ranom-boaloboka misaona; ny fotony milofika; ireo nifaly am-po rehetra misento.

8 Nitsahatra ny feon'ampongatapaka falifaly, tapaka ny fety be horakoraka, nitsahatra ny feon-dokanga falifaly.

9 Tsy misy misotro divay intsony, ny olona eo am-pihainoan-kira; ary mangidy amin'ny mpisotro azy, ny fisotro mahamamo.

10 Rava ny tanàna fikorontanana; mirindrina tsy azo idirana, ny trano rehetra.

11 Mihorakoraka eny an-dàlambe ny olona, fa tsy misy ny divay; lasa tsy eo intsony ny hafaliana rehetra; foana niala tamin'ny tany ny firavoravoana.

12 Korontan-javatra foana sisa, eo an-tanàna; ary ny vavahady montsamontsana dia efa ravarava.

13 Fa ny hanjo ny eo afovoan'ny tany eo amin'ny firenena, dia tahaka ny amin'ny fikapohana oliva, tahaka ny amin'ny fitsimponam-boaloboka, aorian'ny fiotazana azy.

14 Izy ireo manandratra ny feony, dia mihira; mihoby, eny amin'ny ranomasina, ny voninahitry ny Tompo hoe:

15 Miderà an'ny Tompo, hianareo, any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'ny Tompo, Andriamanitr'Israely, any amin'ny nosy any andrefana. -

16 Renay avy hatrany am-paran'ny tany, ny hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina! - Fa hoy aho: Maty aho! Maty aho, loza ho ahy! Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!

17 Fampitahorana sy longoa amam-pandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.

18 Izay mandositra noho ny antso mampatahotra ho latsaka an-davaka, ary izay miakatra avy ao afovoan'ny longoa ho voan'ny fandrika. Fa ny vavahadin-drano ambony, mivoha; ary ny fanorenan'ny tany, mihozongozona.

19 Mitresaka mafy dia mafy ny tany; mipoaka mikotrokotroka ny tany; mihozongozona mafy ny tany;

20 mivembena, hoatra ny olona mamo ny tany; mitsingevaeva, toy ny fandriana mihantona izy; mitambesatra aminy ny tsy fahamarinany; mirodana tsy ho tafarina intsony izy.

21 Amin'izany andro izany Iaveh hisava any ambony ny tafika any ambony, ary ety an-tany ny mpanjakan'ny tany.

22 Dia hatambatra efa voababo eny amin'ny hantsana sy hohidiana ao an-tranomaizina izy ireo, ka afaka andro maro be, vao hovangiana indray izy.

23 Ary ny volana hihamena, ny masoandro hivaloarika, fa Iavehn'ny tafika hanjaka ao an-tendrombohitra Siona sy ao Jerosalema, ary ny voninahitra hamirapiratra eo anatrehan'ny loholony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037