Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 25, 6-10

       <6Hanomanan'ny Tompon'ny tafika
amin'ity tendrombohitra ity ho an'ny firenena rehetra,
fanasana amin'ny hena matavy,
fanasana amin'ny divay ela niotrehana,
hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
       7Hotriariny eto amin'ity tendrombohitra ity
ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin'ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
       8Ny Fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
Iaveh Tompo hamafa
ny ranomaso amin'ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hesoriny
tsy hisy amin'ny tany rehetra;
fa efa niteny Iaveh.
       9Izao no holazain'ny olona amin'izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika
izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia Iaveh izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin'ny famonjeny.
       10Fa ny tanan'ny Tompo
hipetraka amin'ity tendrombohitra ity;
ary Moaba kosa, hohosihosena an-toerana,
toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika. >