Bokin'Izaia

Toko faha-26

1 Amin'izany andro izany hohiraina ao amin'ny tanin'i Jodà izao hira izao: Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany.

2 Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina, mitana ny fahamarinana.

3 Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.

4 Matokia an'ny Tompo mandrakizay hianareo, fa vatolampin'ny taona rehetra Iaveh.

5 Manetry izay nonina any amin'ny havoana izy; naniva ny tanàna miezinezina, naniva azy amin'ny tany, nataony mikasika ny vovoka izy

6 ka voahosihosin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ambany toetra sy ny dian'ny ory.

7 Voaravona ny sakeli-dàlan'ny marina; mahitsy ny làlana izay areninao ho an'ny marina.

8 Koa teo amin'ny lalan'ny fitsaranao no niandrasany anao, ry Iaveh, ny anaranao amam-pahatsiarovana anao, no fanirian'ny fanahinay.

9 Ny fanahiko naniry anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka anao. Satria raha mihatra amin'ny tany ny fitsaranao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.

10 Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan'ny Tompo.

11 Ry Iaveh ô, ny tànanao efa voaainga tsy hitan'izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an'ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon'ny afo natao handevonana ny fahavalonao.

12 Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay hianao, fa ny asanay rehetra dia hianao no nanatanteraka azy ho anay.

13 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nisy tompo hafa noho hianao efa nanapaka anay koa; fa noho hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.

14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana, fa efa nosavanao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.

15 Nampitomboinao ny firenena, ry Iaveh, nampitomboinao ny firenena sy nahariharinao ny voninahitrao; nitarinao halalaka ny faritry ny tany.

16 Nitady anao izy, nony azom-pahoriana, ry Tompo o, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.

17 Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka, miolanolana sy miantsoantso eo amin'ny fijaliany, tahaka izany izahay eo anatrehan'ny tavanao, ry Iaveh.

18 Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an'izao tontolo izao.

19 Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin'ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, hianareo izay mandry eo amin'ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon'ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.

20 Mandehana, ry vahoakako, midira ao an'efi-tranonao, ka mirindrina varavarana hianao rahefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasanan'ny fahatezerana.

21 Fa indro Iaveh mivoaka avy amin'ny fonenany, hizaha ny tsy fahamarinan'ny mponina amin'ny tany; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny, ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.108