Bokin'Izaia
Izaia toko 26, 1-6.
Hira Fisaorana.
1Amin'izany andro izany hohiraina
ao amin'ny tanin'i Jodà izao hira izao:
Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony
mandany sy manda ivelany.
2Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina,
mitana ny fahamarinana.
3Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana,
dia fiadanana noho izy matoky anao.
4Matokia an'ny Tompo mandrakizay hianareo,
fa vatolampin'ny taona rehetra Iaveh.
5Manetry izay nonina any amin'ny havoana izy;
naniva ny tanàna miezinezina,
naniva azy amin'ny tany,
nataony mikasika ny vovoka izy
6ka voahosihosin'ny tongotra izy,
dia ny tongotry ny ambany toetra sy ny dian'ny ory. >