Bokin'Izaia

Toko faha-27

1 Amin'izany andro izany Iaveh hamaly, amin'ny sabany mafy sady lehibe no mahery, an'i Leviatana ilay menarana faingam-pandeha, an'i Leviatana ilay menarana miforiporitra, ka hamono ilay bibibe izay ao an-dranomasina.

2 Amin'izany andro izany no hilazana hoe: Tanim-boaloboka anankiray ahazoana divay mahery, mihirà ho azy!

3 Izaho Iaveh no miambina azy; manondraka azy mandrakariva aho; ary sao hisy olona hiditra ao aminy, miambina azy andro aman'alina aho:

4 tsy manan-katezerana intsony aho. Aiza no hahitako tsilo sy hery hiadiako? Dia hiroatra hamely an'ireo aho, ka hodorako izy.

5 Afa-tsy raha mifikitra amin'ny fiarovako ny olona, ka manao fihavanana amiko, ka izaho no anaovany fihavanana!

6 Amin'ny andro ho avy Jakoba handatsapaka, Israely hamony sy hitsimoka, ary hofenoiny amin'ny vokany izao tontolo izao.

7 Moa nasiana toy ny namelezana an'ireo namely azy va izy? Moa novonoina toy ny namonoana an'ireo namono azy va izy?

8 Nofaizinao amin'ny sazy antoniny izy, nataonao sesi-tany. Noroahiny tamin'ny rivotra mahery tamin'ny andro misy rivotra avy atsinanana.

9 Toy izao no hahavoaonitra ny helok'i Jakoba, ary izao no ho vokatra rehetra amin'ny famelana ny fahotany. Rahefa ny vaton'ireo otely no hataony manjary vovoka sy manahaka ny vato sokay, dia tsy hantsangana intsony ny asrah sy ny sarin'ny Masoandro.

10 Fa ny tanàna mimanda efa zary tany foana, fonenana lao sy nilaozana, tahaka ny efitra; zanak'omby no miraotra ao, mandry sy mihinana ny rantsan-kazo ao.

11 Rahefa maina ny rantsan-kazo dia tapahana; ka dia avy ny vehivavy hitaina azy, Fa firenena tsy hendry izy, ka tsy hamindra fo aminy ilay nanao azy, ary tsy hiantra azy ilay namorona azy.

12 Amin'izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan'ny Tompo ny vary hatramin'ny mason-dranon'ny Ony, ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Ejipta, dia hotazana tsirairay hianareo, ry zanak'Israely.

13 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany: haneno ny trompetra lehibe, ka izay very tany amin'ny tanin'i Asora, mbamin'izay voasesi-tany, tany amin'ny tany Ejipta, dia hody ka hiakohoka eo anatrehan'ny Tompo, ao amin'ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1785