Bokin'Izaia

Toko faha-28

1 Loza ho an'ny diadema be avonavon'ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan'ny fihaingoany, eny an-tampon'ny lohasaha lonaka misy an'ireo lehilahy mamon'ny divay.

2 Indro fa misy fahavalo mahery sy mahefa avy amin'ny anaran'ny Tompo, tahaka ny oran-kavandra aman-tafio-drivotra mpandrava, tahaka ny ranonorana be mivatravatra ka manafotra; dia hanjera azy mafy amin'ny tany.

3 Ho hosena amin'ny tongotra ny diadema be avonavon'ny mpimamo ao Efraima.

4 Ny voninkazo mora malazo famirapiratan'ny fihaingoany, eny an-tampon'ny lohasaha lonaka, hanahaka ny voan'aviavy masaka aloha'ny fahavaratra: izay mahita azy, raha vantany vao mahazo azy an-tànana mandrapaka azy.

5 Amin'izany andro izany Iaveh ho diadema mamirapiratra sy fehiloham-boninahitra ho an'ny sisan'ny vahoakany,

6 ho fanahy fahamarinana ho an'izay mipetraka eo amin'ny seza fitsarana, ary ho hery ho an'izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady.

7 Ireo koa mandraingiraingin'ny divay, jembin'ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin'ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin'ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;

8 feno loa maloto ny latabatra rehetra, tsy misy fitoerana intsony.

9 Iza no tadiaviny hampianarana fahendrena, ary zovy no tadiavany hamoasana ny fianarana? Ny zaza vao notazana, vao mitsaha-nono va?

10 Fa didy manampy didy, didy manampy didy fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika mbetika izao, mbetika izany.

11 Eny ary, fa olona mibadabada sy amin'ny fitenim-pirenen-kafa, no hitenenan'ny Tompo amin'ity vahoaka ity.

12 Niteny izy nanao hoe: Ity no fitoerana fitsaharana; avelao hiala sasatra ny reraka; ity no fanamaivanana; - kanefa tsy nety nihaino izy ireo.

13 Noho izany, ho azy ireo ny tenin'ny Tompo, dia ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin'ny fandrika.

14 Koa mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo, ry olona mpananihany, lehiben'ny vahoaka eto Jerosalema.

15 Hianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin'ny seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena.

16 Noho izany, izao kosa no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siona dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.

17 Ny rariny no hataoko fitsipika, ary ny fahamarinana no hataoko fandanjana. Ka ny lainga fiarovana ho paohin'ny havandra; ary ny fierenareo hindaosin'ny rano.

18 Ny fanekenareo amin'ny fahafatesana hofoanana; ary ny fifanarahanareo amin'ny seoly, tsy haharitra; fa rehefa handalo ny loza manafotra, homontsaniny hianareo;

19 isaky ny avy izy, hahatratra anareo, fa ho avy izy rahampitso sy rahampitso andro aman'alina; ny fangorohoroana ihany no hanao fananarana anareo!

20 Satria: fohy tsy misy hitsorana, ny farafara; ary kely tsy ampy hirakofana ny firakotra.

21 Fa Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima; sy hirimorimon'ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan'i Gabaona, hahavita ny asany, asa tokana aman-tany, hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony!

22 Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin' Iavehn'ny tafika hahazo ny tany rehetra.

23 Mampandria sofina, ka mandrenesa ny feoko, mihainoa tsara ka mandrenesa ny feoko:

24 Moa ny mpiasa tany izay mihevitra ny hamafy, dia miasa tany hatrany hatrany sy miasa tany ary mamaky bainga ihany?

25 Rahefa voaravony ny tany, moa tsy dia hapariakany va amin'izay ny nigela sy hafafiny ny komina, ary hataony mitandahatra tsara ny fromenta sy ny orja amin'ny anjara toerany; ary ny epaotra kosa, eny an-tsisiny?

26 Ny Andriamaniny no nampianatra azy izany fitsipika izany, sy nanoro azy.

27 Satria tsy mba ny rambaramba no fivelezana ny nigela, ary ny komina tsy kodiavana kodiaran-tsarety; fa ny nigela velezina amin'ny tehina, ary ny komina amin'ny tsorakazo.

28 Ny fromenta hosena, fa tandremana tsara ny tsy hivelezana azy lava; atosika ho eo aminy ny kodiaran-tsarety, mbamin'ny soavaly, nefa tsy torotoroina izy.

29 Izany koa dia avy amin'ny Tompo'ny tafika; mahagaga amin'ny fisainany izy, sady be no azony enti-manatanteraka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1433