Bokin'Izaia

Toko faha-29

1 Loza ho an'i Ariela, dia Ariela, ilay tanàna nilasian'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingerina ireo fety lehibe,

2 dia hoporetiko mafy Ariela, ka tsy hisy afa-tsy sento amam-pitarainana ao; fa ho tahaka an'i Ariela ho ahy izy;

3 Izaho hitoby manodidina anao, hanisy miaramila hanemitra anao, ary hanangana manda hamelezana anao.

4 Haetry hianao ka avy amin'ny tany no hisandratan'ny feonao, ho re avy amin'ny vovoka ny feonao mimonomonona, hivoaka avy amin'ny tany toy ny an'ny matoatoa, ny feonao; ary hiakatra avy amin'ny vovoka, toa bitsibitsika malemy, ny teninao.

5 Ny habetsahan'ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan'ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.

6 Ary indro fa amin'izay dia tampoka sy amin'ny indray mipy maso no hisavan'ny Tompon'ny tafika anao, amin-kotrokotroka, kotro-baratra, rohondrohona mafy, tadio, tafio-drivotra, ary lelafo mandevona.

7 Ary ho tahaka ny nofy, tahaka ny fahitana amin'ny alina no hahazo ireo firenena maro rehetra izay hiady amin'i Ariela, sy izay rehetra hanafika azy sy ny tranony mimanda, sy hamoritra azy mafy.

8 Tahaka ny olona noana, manonofy hoe mihinana, kanjo nony mahatsiaro dia foana ihany ny fanahiny; ary tahaka ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro, kanjo nony mahatsiaro, hanan'ny hasasarana sy mangetaheta ihany izy. Dia tahaka izany no hahazo an'ireo firenena maro ireo, izay mandeha hamely ny tendrombohitra Siona.

9 Migagà hianareo, ka aoka hitanaka foana hianareo! Manajambà tena hianareo, ka aoka ho voajamba! Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay, mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery.

10 Fa Iaveh no nampidina ao aminareo fanahy mampatoritory; nakimpiny ny masonareo - ny mpaminany izany; nosaronany ny lohanareo - ny mpahita izany.

11 Ary ny fahitana rehetra aminareo, dia tonga toy ny teny amin'ny boky voaisy tombo-kase; ka atolotra ny olona mahavaky teny izy, atao hoe: Vakio ity, dia valiany hoe: Tsy azoko atao, fa voaisy tombo-kase ity boky ity.

12 Atolotra ny olona tsy mahavaky teny indray atao hoe: Vakio ity dia valiany hoe: Tsy mahavaky teny aho.

13 Ary hoy ny Tompo: Satria ity firenena ity manatona ahy amin'ny vavany sy mankalaza ahy amin'ny molony, nefa ny fony hampanalaviriny ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin'olombelona,

14 noho izany mbola hanohy ny fanaovana zava-mahagaga aho, amin'izany vahoaka izany, dia zava-mahagaga tsy fahita, tsy fahita amin'ity firenena ity. Ka ny fahendren'ny olon-kendriny ho foana, ary ny fahazavan-tsain'ny mpampianatra azy hihamaizina.

15 Loza ho an'izay manafina lalina tsy ho hitan'ny Tompo, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin'ny maizina, ka manao hoe: Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?

16 Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga no ilazan'ny taozavatra ny mpanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy, sy ilazan'ny siny amin'ny mpanefy hoe: Tsy mahalala na inona na inona izy?

17 Tsy vetivety foana va dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna, ary ny saha misy hazo mamoa dia atao ho ala?

18 Amin'izany andro izany, ny marenina handre ny tenin'ny boky, ary ny jamba hivoaka amin'ny aizina aman'aizim-pito ka hahita.

19 Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin'ny Tompo, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin'Ilay Masin'Israely.

20 Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory ary maty ny mpaniratsira ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy,

21 dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraim-bava; mamela-pandrika ho an'izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin'ny laingany.

22 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo amin'ny taranak'i Jakoba, dia izy izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy hisy hahamenatra an'i Jakoba intsony tsy hivaloarika intsony ny handriny.

23 Fa izy sy ireo taranany, rahefa mahita ny asan'ny tànako eo aminy, dia hanamasina ny anarako izy ireo, hanamasina an'Ilay Masin'i Jakoba izy ireo, ary hanaja ny Andriamanitr'Israely. Ireo mivily saina, hianatra fahendrena, ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1342