Bokin'Izaia
Izaia toko 29, 17-24.
<17Tsy vetivety foana va
dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna,
ary ny saha misy hazo mamoa dia atao ho ala?
18Amin'izany andro izany, ny marenina handre ny tenin'ny boky,
ary ny jamba hivoaka amin'ny aizina aman'aizim-pito ka hahita.
19Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin'ny Tompo,
ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin'Ilay Masin'Israely.
20Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory ary maty ny mpaniratsira
ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy,
21dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraim-bava;
mamela-pandrika ho an'izay namaky betroka azy eo am-bavahady;
ary mamery ny marina amin'ny laingany.
22Noho izany, izao no lazain'ny Tompo amin'ny taranak'i Jakoba,
dia izy izay nanavotra an'i Abrahama:
Tsy hisy hahamenatra an'i Jakoba intsony
tsy hivaloarika intsony ny handriny.
23Fa izy sy ireo taranany, rahefa mahita ny asan'ny tànako eo aminy,
dia hanamasina ny anarako izy ireo,
hanamasina an'Ilay Masin'i Jakoba izy ireo,
ary hanaja ny Andriamanitr'Israely.
Ireo mivily saina, hianatra fahendrena,
ary ireo mimonomonona, handray fampianarana. >