Bokin'Izaia

Toko faha-3

1 Fa indro ny Tompo, Iavehn'ny tafika, hanesotra amin'i Jerosalema sy Jodà, ny vonjy aman-tohana rehetra,

2 ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano, ny mahery fo mbamin'ny lehilahy mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany amam-pimasy, ny loholona,

3 ny kapiteny aman'olom-boalohandohany, mbamin'ny mpanolo-tsaina, ny mpanao taozavatra kinga amin'ny raharahany amam-panao fankatoavana famantsy lahy;

4 dia zatovolahy no apetraka ho lehiben'izy ireo, ary ankizy no hanapaka azy.

5 Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin'ny lehilahy ary ny olona samy amin'ny mifanakaiky aminy; hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin'ny anti-panahy, ary ny olom-poana amin'ny olo-manan-daza indrindra.

6 Nony halain'ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: Manan-damba hianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!

7 Dia hikafankafana izy, amin'izany andro izany, hanao hoe: Tsy te-ho mpanasitrana aho, fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory, ka aza ataonareo lehiben'ny vahoaka.

8 Satria mangozohozo Jerosalema ary mirodana Jodà, noho ny teny aman'asan'izy ireo manohitra an'ny Tompo, mba hihaika ny fijerin'ny fiandrianany.

9 Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an'i Sodoma izy, fa tsy miery amin'izany akory. Loza ho an'ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.

10 Lazao amin'ny marina fa sambatra izy, satria hihinana ny vokatry ny asany.

11 Loza ho an'ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon'ny tànany.

12 Zaza no mampahory ny vahoakako, ary vehivavy no manapaka azy. Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao, ary mandrava ny làlana tsy maintsy halehanao izy ireo.

13 Nitsangana Iaveh hamoaka ny fitsarana, ary nijoro hitsara ny vahoaka izy.

14 Mifandahatra amin'ny loholona eo amin'ny fitsarana Iaveh, sy amin'ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe: Niraotra ny voaloboka hianareo; ny fananan'ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo.

15 Lalàna avy aiza no anosihosenareo ny vahoakako, sy anorotoroanareo ny tavan'ny ory? Teny ton'ny Tompo Iavehn'ny tafika, izany.

16 Efa niteny Iaveh nanao hoe: Noho ireo zanakavavin'i Siona tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonajom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehin-tongony,

17 dia hataon'ny Tompo sola ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Siona, ary asehon'ny Tompo ny fitanjahany.

18 Amin'izany andro izany, hesorin'ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana,

19 ny kavina, ny fehin-tànana, ny voaly,

20 ny fehiloha, ny fehin-tongotra amam-pehin-kibo,

21 ny fitoeran-dranomanitra amam-pelana, ny peratra aman-kavin'orona;

22 ny akanjo fitondra amin'ny fety sy ny akanjo vity malalaka, ny kapaoty amam-poketra;

23 ny fitaratra aman'akanjo moselina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.

24 Ka ny zava-manitra hosoloana lo; ny fehin-kibo hosoloana mahazaka; ny volo mivona, hosoloana loha sola; ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasaka; ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin'ny afo.

25 Ny mpiadinao halavon-tsabatra, ary ny maherinao ho faty an'ady.

26 Hitomany sy hisaona ny vavahadin'i Siona, ary efa ory izy, dia hipetraka amin'ny vovoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0895