Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 30, 19-21.23-26.

       <19Fa hianao, ry vahoaka monina ao Siona, ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony hianao,
fa raha vao mitaraina hianao dia hamindrany fo;
raha vao mandre anao izy dia hamaly anao.
       20Homen'ny Tompo anareo,
ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana;
ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao,
ary hahita maso an'izay mampianatra anao hianao.
       21Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe:
- Ity no làlana, ka ombao io! -
dia raha hianareo hivily na ho an-kavanana na ho an-kavia.
       23Ny Tompo handefa ny ranonorany amin'ny voa
nafafinao amin'ny tany,
ary ny tany hahavokatra mofo,
tsara tokoa sady betsaka;
amin'izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana
eny amin'ny tany fiandrasana malalaka:
       24ary ny omby aman'ampondra
miasa ny tany,
hihinam-bilom-bary matsiro,
voakororoka tamin'ny lapela aman-tsahafa.
       25Eny an-tendrombohitra avo rehetra,
eny an-kavoana avo rehetra
hisy sakeli-drano aman-dranovelona,
amin'ny andro famonoam-be,
sy hianjeran'ny tilikambo.
       26Ny hazavan'ny volana ho tahaka ny hazavan'ny masoandro;
ary ny hazavan'ny masoandro ho avo fitoheny,
ho tahaka ny hazavan'ny hafitoana,
amin'ny andro hamehezan'ny Tompo ny ratran'ny vahoakany,
sy hanasitranany ny fery namelezany azy. >