Bokin'Izaia

Toko faha-33

1 Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rahefa nitsahatra ny nandrava hianao, dia horavana; rahefa tapi-nandroba hianao, dia horobaina.

2 Tompo o, mamindrà fo aminay! Hianao no antenainay. Aoka hianao ho sandriny isa-maraina, sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana.

3 Mandositra ny vahoaka mandre ny feon'ny kotro-baratrao; miparitaka ny firenena nony mitsangana hianao.

4 Hangonina hoatra ny fanangon'ny valala ny babonareo; mihazakazaka mankao ny olona, hoatra ny andiam-balala.

5 Manerinerina Iaveh fa mitoetra any ambony izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana Siona.

6 Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an'ny Tompo no rakitrao.

7 Indreo ny lehilahy maheriny, mibabababa eny an-dalambe; ary ny iraka mitady fihavanana, mitomany amin'alahelo mafy.

8 Ny arabe maty, ny làlana tsy misy mpandeha. Ny fanekena nivadihany; ny tanàna nafokainy; ny olona tsy hajainy.

9 Misaona sy milofika ny tany; menatra sy malazo i Libàna, zary sahala amin'i Arabah i Sarona, manitsan-dravina Basàna sy Karmely.

10 Ankehitriny hitsangana aho, hoy Iaveh, ankehitriny hijoro aho; ankehitriny hisandratra aho.

11 Torontoronina mololo hianareo, ka hiteraka vodivary; ny fofonainareo ihany no ho afo mandevona anareo.

12 Ary ny vahoaka dia ho memy fandoroan-tsokay, ho tsilo voatomboka mirehitra anaty afo.

13 Hianareo lavitra, mihainoa ny nataoko; hianareo akaiky, mahafantara ny heriko.

14 Nangovitra ny mpanota ao Siona, ary raiki-tahotra ny mahalala fivavahana, nanao hoe: Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? Iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?

15 Izay nandeha amin'ny rariny, sy miteny amin'ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tànana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadiny amin'ny resaka handatsa-dra, sy mitampi-maso tsy hahita ny ratsy:

16 izany no honina any amin'ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin'ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.

17 Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin'ny tarehiny, hahatsinjo ny tany midadasika lasa lavitra.

18 Ny fonao hahatsiaro ny natahorany: Nankaiza ny mpanoratra? Nankaiza ny mpampiasa nitana ny fandanjana? Nankaiza ny lehibe mpanisa ny tilikambo?

19 Tsy ho hitanao intsony ny vahoaka mirehareha, ny vahoaka manao teny maizina sy tsy fantatra; fa fiteny tsy fantatra no akanakaniny.

20 Jereo ity Siona tanàna fanaovantsika fety; aoka ny masonao anie hahita an'i Jerosalema, fonenana mahasambatra, lay tsy hafindrafindra, izay tsy hongotana mandrakizay ny tsimany sy tsy hanesorana iray akory ny tadiny.

21 Ao marina no honenan'ny Tompo ho antsika amin'ny voninahiny; ao no misy ony aman-dakan-drano lehibe; izay tsy ho sahin'ny lakana voizina hidirana na iray aza, sy tsy hidiran-tsambo lehibe na iray aza.

22 Satria Iaveh no mpitsara antsika, Iaveh no mpanao làlana ho antsika, Iaveh no mpanjakantsika; izy no hamonjy antsika.

23 Mivaha ny mahazakan-tsambonao, tsy mahatana ny andrin-tsambo ho eo amin'ny fiorenany izy; ary tsy mahahazona ny sainan-tsambo mivelatra intsony. Amin'izany mizara babo betsaka ny olona, ny mandringa avy no hanana anjara babo.

24 Tsy misy mponina manao hoe: Marary aho! Nahazo ny famelana ny helony, ny vahoaka monina ao Siona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.091