Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 34
Fitsarana ny firenen-tsamihafa tandintomin'i Edoma.

       1Manatona hihaino, hianareo firenena,
mampandria sofina, hianareo vahoaka!
Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy;
izao tontolo izao mbamin'ny vokatra rehetra avy aminy.
       2Fa mihatra amin'ny firenena rehetra ny haviniran'ny Tompo,
ary amin'ny miaramilany rehetra ny hatezerany;
nataony anatema, natolony hovonoina ireny.
       3Ny maty amin'izy ireo hariana,
ny fatiny hitera-pofona maimbo,
ary hiempo azon'ny rany ny tendrombohitra.
       4Ny tafiky ny lanitra rehetra ho zary vovoka;
ny lanitra hahorona hoatra ny taratasy;
ary ny tafiny rehetra hiraraka
hoatra ny firaraky ny ravim-boaloboka,
hoatra ny firaraky ny ravina malazo amin'ny aviavy.
       5Fa efa mamon-drà teny amin'ny lanitra ny sabatro,
ka indro izy midina ho any Edoma,
ho any amin'ny firenena nataoko anatema hitsarana azy.
       6Ny sabatry ny Tompo dia feno ra,
mihosi-menaka,
sy ran-janak'ondry aman'osilahy,
ary sabora fonom-boan'ondralahy.
Fa manao sorona ao Bosrà, Iaveh,
sy famonoam-be ao amin'ny tanin'i Edoma.
       7Miaraka aripaka amin'izany koa ny ombimanga,
sy ny omby miaraka amin'ny ombilahy.
Vonto ra ny taniny,
mandriaka ny menaka ao amin'ny vovok'izy ireo.
       8Fa andro famalian'ny Tompo izany,
ary taona famaliana ny nataony tamin'i Siona.
       9Hanjary dity ny reniranony,
ho solifara ny vovo-taniny,
ary ho tonga dity mahamay ny taniny,
       10ka ny firehiny tsy hovonoina na andro na alina,
ary ny setrony, hisavoana mandrakizay.
       11Ny pelikano aman-tsokina no hivolo-tompony ao;
ny vorondolo sy ny goaika no honina ao;
ary hohenjanina eo aminy
ny famolain'ny fikorontanana
sy ny levin'ny fanafoanana.
       12Tsy hisy intsony ny lehibe hanangana mpanjaka;
ary hofoanana avokoa ny mpanapaka ao.
       13Tsilo no haniry ao an-dapany;
ary voaroy amam-beroberokamboa no ho eo an-tranony mimanda,
ka ho fieren'amboadia
sy valan'ostritsa foana izy.
       14Ny kary aman-amboadia, ho tafahoana ao;
ary ny satira hifampiantsoantso ao.
Ny lolovokatra mpiseho alina hiorim-ponenana ao koa,
sy hahazo fitoerana fitsaharany.
       15Ao ny bibilava no hanao ny akaniny sy hanatody
sy hikotrika azy hanangona ny zanany eo ambanin'ny alokalony.
Hiangona ao avokoa ny papango.
       16Izahao ao amin'ny bokin'ny Tompo ka vakio:
Tsy misy tsy ao ireo na dia iray aza,
na ity na itsy tsy misy tsy tonga ao.
Fa ny vavan'ny Tompo no efa nandidy izany,
ary ny fofon'ainy no nanangona azy.
       17Tenany no nanao loka ho an'ireo,
ary tànany no nizara ny tany ho azy ireo amin'ny famolaina;
ka hanana izany mandrakizay ireo;
ary honina ao amin'ny taona mifandimby. >