Bokin'Izaia

Toko faha-35

1 Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina, hiravoravo ny tany lemaka lava volo,

2 ary hamony tahaka ny narisisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr'i Libàna mbamin'ny hakanton'i Karmely sy Sarona. Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo, sy ny famirapiratan'ny Andriamanitsika.

3 Hatanjaho ny tànana osa, herezo ny lohalika mangozohozo!

4 Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian'Andriamanitra, tenany no ho avy, dia hamonjy anareo.

5 Amin'izay dia hahiratra ny mason'ny jamba, halady ny sofin'ny marenina.

6 Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan'ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an'efitra; ary sakeli-drano eny amin'ny tany lemaka lava volo.

7 Ny tany hay, hanjary ho farihy, ary ny tany mangetana ho loharano. Ny lavaka fonenan'ny amboadia hanjary saham-bolotara aman-jozoro.

8 Hisy arabe, hisy làlana, izay atao hoe ny làlana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.

9 Ao tsy mba hisy liona, tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao. Fa ny voavonjy no hizotra ao, ary ny navotan'ny Tompo no ho tonga ao indray;

10 Ho tonga ao Siona amin'ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1169