Bokin'Izaia

Toko faha-36

1 Tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo, nanjakan'i Ezekiasa, niakatra Senakeriba, mpanjakan'i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny.

2 Ary nirahin'ny mpanjakan'i Asiria ny lehiben'ny mpandroso divay aminy nitondra miaramila maro, avy ao Lakisa ho any Jerosalema, amin'i Ezekiasa mpanjaka; nijanona teo amin'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny làlana mankamin'ny sahan'ny Mpamotsy lamba, ny lehiben'ny mpandroso divay. 3 Dia nanatona azy Eliasima, zanak'i Helkiasa lehiben'ny tao an-dapa, nomban'i Sobnà mpanoratra, ary Joahe zanak'i Asafa, mpitahiry ny bokim-panjakana. 4 Hoy ny lehiben'ny mpandroso divay tamin'izy ireo: Mba lazao kely amin'i Ezekiasa izao: Izao no tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asiria: Avy aiza no nahazoanao toky iankinanao toy izao? Hoy izaho: Teny foana izany fikasana aman-kery hoenti-miantafika izany. 5 Fa ankehitriny, iza no itokianao no niodina tamiko hianao? 6 Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan'izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok'i Faraona amin'izay rehetra matoky azy. 7 Ary raha hianao manao amiko hoe: Iaveh Andriamanitray no itokianay - moa tsy izy va no nanesoran'i Ezekiasa ny fitoerana avo aman'otely nanaovany tamin'i Jodà sy Jerosalema hoe: Eo anoloan'ity otely ity no hiankohofanareo? 8 Koa ankehitriny manaova fanekena amin'ny tompoko, ny mpanjakan'i Asiria, fa homeko soavaly roa arivo hianao, raha afa-mamory olona hitaingina azy! 9 Hataonao ahoana no fampiamboho kapiteny iray akory, amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra amin'izy ireo aza? Noho izany dia Ejipta no itokianao hahazoana kalesy aman-tsoavaly. 10 Ary ankehitriny matoa niakarako ity tany ity handrava azy, moa tsy avy amin'ny sitrak'Iaveh izany? - Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Miakara hamely izany firenena izany, ka ravao izy! 11 Dia hoy Eliasima sy Sobnà ary Joahe, tamin'ny lehiben'ny mpandroso divay: Mba teny arameana no ataovy amin'ny mpanomponao, satria hainay izany; fa aza dia manao teny jodaika, ho ren'ny vahoaka eny ambony manda. Fa izao no navalin'ny lehiben'ny mpandroso divay: 12 Moa ny tomponao sy hianao va, no nanirahan'ny tompoko ahy, hilaza izany teny izany; fa tsy ireo olona mipetraka eo ambony manda hihinana ny dikiny sy hisotro ny ditsany miaraka aminareo? 13 Dia nandroso ny lehiben'ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin'ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, hianareo, ny tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asiria!

14 Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Ezekiasa hianareo, fa tsy hahavonjy anareo izy. 15 Ary aza mety hotaritin'i Ezekiasa hatoky an'ny Tompo, hataony hoe: Hamonjy antsika tokoa Iaveh, ary tsy atolotra eo an'tanan'ny mpanjakan'i Asiria ity tanàna ity. 16 Aza mihaino an'i Ezekiasa hianareo; fa izao no tenin'ny mpanjakan'i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko, ary maneke ahy hianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman'aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin'ny dobo famorian-dranony avy hianareo; 17 mandra-pihaviko hitondra anareo, ho any amin'ny tany toy ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka. 18 Aza mety hambosin'i Ezekiasa hianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika Iaveh. Moa misy andriamanitry ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asiria va?

19 Aiza ny andriamanitr'i Emata sy Arfada? Aiza ny andriamanitr'i Sefarvaima? Moa nanafaka an'i Samaria tamin'ny tànako va ireny? 20 Iza tamin'ireo andriamanitry ny firenena rehetra ireo no nahavonjy ny taniny tamin'ny tànako, no hahavonjen'ny Tompo an'i Jerosalema amin'ny tàanako? 21 Nangina tsy nisy namaly izy ireo na dia teny indraimbava aza, satria efa nodidian'ny mpanjaka hoe: Aza mamaly azy hianareo.

22 Dia nankany amin'i Ezekiasa Eliasima zanak'i Elkiasa lehiben'ny ao an-dapa, sy Sobnà mpanoratra, ary Joahe zanak'i Asafa mpitahiry ny bokim-panjakana, ka nambarany taminy ny tenin'ny lehiben'ny mpandroso divay, ary samy voatriatra ny fitafiany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1298