Bokin'Izaia

Toko faha-37

1 Nony nandre izany teny izany Ezekiasa, dia notriariny ny fitafiany, notafiny ny lasaka, lasa izy nankao an-tranon'ny Tompo.

2 Ary nirahiny Eliasima, lehiben'ny ao an-dapa, sy Sobnà, mpanoratra, ary ny lohandohan'ny mpisorona, samy voatafy lasaka, ho any amin'Izaia zanak'i Amosa, mpaminany, 3 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fahafaham-baraka izao andro izao, fa ny zaza vonon-kivoaka avy ao am-bohoka nefa ny hery hiterahana azy, tsy misy. 4 Angamba ho ren'ny Tompo Andriamanitrao, ny tenin'ny lehiben'ny mpandroso divay nirahin'ny mpanjakan'i Asiria, tompony, hanevateva an'Andriamanitra velona, ka hosaziny noho ny teny efa ren'ny Tompo Andriamanitrao. Koa manaova fivavahana ho an'izay sisa mbola tavela. 5 Lasa nankany amin'Izaia ireo mpanompon'i Ezekiasa, mpanjaka,

6 dia hoy Izaia tamin'izy ireo: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: Toy izao no tenin'ny Tompo: Aza matahotra ny teny efa renao, izay naniratsiran'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asiria ahy. 7 Fa indro aho, manisy fanahy ao anatiny, hany ka noho ny vaovao hampandrenesina azy dia hiverina ho any amin'ny taniny izy, dia hataoko lavon-tsabatra any amin'ny taniny. 8 Dia niverina ny lehiben'ny mpandroso divay ka nahita ny mpanjakan'i Asiria, nanao fahirano an'i Lobnà; efa reny ny nialan'ny tompony tany Lakisa.

9 Ary nandre vaovao ny mpanjakan'i Asiria ny amin'i Tharakà, mpanjakan'i Etiopia, fa hoy ny olna taminy: Efa niainga izy io hanafika anao. Nony vao nandre izany izy, dia nandefa iraka ho any amin'i Ezekiasa, nanao hoe: 10 Izao no holazainareo amin'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà ataovy hoe: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao, izay itokianao hianao, ataony hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria Jerosalema. 11 Indro efa renao ny nafitsoky ny mpanjakan'i Asiria, ny tany rehetra, fa nataony anatema izany!... Ka hianao ve dia ho voavonjy? 12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako dia Gozàna, Harama, Resefa, ary ny taranak'i Edena, izay any Telasara? 13 Aiza avy ny mpanjakan'i Emata, ny mpanjakan'i Arfada, ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima, ny an'i Anà, ny an'i Avà? 14 Noraisin'i Ezekiasa avy eny an-tanan'ireo iraka ny taratasy, ka novakiny; dia niakatra ho ao an-tranon'ny Tompo izy sady namelatra izany teo anatrehan'ny Tompo. 15 Ary nivavaka teo anatrehan'ny Tompo Ezekiasa nanao hoe: 16 Ry Iavehn'ny tafika, Andriamanitr'Israely ô, izay mpietraka amin'ny Kerobima, hianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, hianao no namorona ny lanitra sy ny tany. 17 Atongilano ny sofinao, Iaveh, ka mihainoa! Ahirato ny masonao, Iaveh, ka mijere? Henoy avokoa ny tenin'i Senakeriba izay nalefany, hanevatevana an'ilay Andriamanitra velona. 18 Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa Senakeriba dia nandrava ny firenena rehetra mbamin'ny taniny, 19 ary nanipy ny andriamanitr'ireny tao anaty afo, satria tsy andriamanitra ireny, fa asan-tanan'olombelona, vato aman-kazo, ka dia voaravany. 20 Ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tanan'i Senakeriba izahay; ary aoka ho fantatry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa hianao irery no Iaveh. 21 Dia naniraka ho any amin'i Ezekiasa Izaia, zanak'i Amosa, hilaza hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely: Efa reko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin'i Senakeriba, mpanjakan'i Asiria;

22 ka izao no teny nolazain'ny Tompo ny aminy: Maneso anao, mihomehy anao, ilay virjiny zanakavavin'i Siona; manifikifi-doha eo aorianao, ny zanakavavin'i Jerosalema! 23 Iza no notsiratsirainao sy nompainao? Hamely an'iza no nanandratanao feo, sy niandranandrananao maso? -

24 Hamely an'ilay Masin'Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary hianao efa nanao hoe: Amin'ny hamaroan'ny kalesiko no efa niakarako teny an-tampon-tendrombohitra, teny amin'ny fara-sisin'i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin'ny sedra ao aminy, ny tsara indrindra amin'ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin'ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.

25 Nihady aho, dia manan-drano hosotoina; homainiko amin'ny faladian-tongotro ny onin'i Ejipta rehetra.

26 Tsy mba renao va fa efa hatramin'ny ela dia nanao izany aho, ary efa noforoniko hatramin'ny andro taloha? Ankehitriny ataoko izay hahatanterahan'izany, hampanajarianao ho korontan-javatra miavosa ny tanàna mimanda.

27 Tsy manan-kery ny mponina fa raiki-tahotra sy mivadi-po; izy ireo manahaka ny ahitra eny an-tsaha aman-java-maitso milenodenoka, tahaka ny ahitra ambony tafon-trano, tahaka ny vary mandavenona, maina alohan'ny fahamasahany.

28 Fantatro anefa hianao na mipetraka hianao na mivoaka hianao, na miditra hianao; fantatro ny hatezeranao amiko.

29 Noho hianao misafoaka amiko, sy noho ny fireharehanao efa tafakatra mby ao an-tsofiko, izaho kosa hametaka ny masom-biko amin'ny oronao sy ny lamboridiko eo amin'ny vavanao, sy hamerina anao amin'ny làlana nihavianao.

30 Ary izao no ho famantarana ho anao: Amin'ity taona ity, ny vokatra avy amin'ny vary raraka an-tany no hohanina; amin'ny taona faharoa ny maniry ho azy no hohanina; fa amin'ny taona fahatelo kosa hamafy sy hijinja ny vokany hianareo.

31 Izay voavonjy tamin'ny taranak'i Jodà, izay sisa tavela mbola handatsaka faka any ambany, ary hamoa voa any ambony. 32 Fa hisy sisa hivoaka avy amin'i Jerosalema, ary hisy afaka avy ao an-tendrombohitra Siona. Izany no hefain'ny firehetam-pon'ny Tompon'ny tafika. 33 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: Tsy hiditra amin'izany tanàna izany izy, na handefa zana-tsipika ao aminy, na hanangana ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezana azy. 34 Hiverina amin'ny làlana nihaviany izy, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity. - Teny ton'ny Tompo.

35 Hiaro ity tanàna ity aho mba hamonjy azy, noho ny amin'ny tenako, sy noho ny amin'i Davida mpanompoko.

36 Dia nivoaka ny anjelin'ny Tompo, ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy teo an-tobin'ny Asiriana, ary nony vao nifoha ny olona tamin'ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.

37 Ary Senakeriba mpanjakan'i Asiria, nony avy nandrava ny tobiny, dia lasa nody, 38 ka nitoetra tany Niniva. Fa raha ilay niankohoka tao an-tranon'i Nesroka, andriamaniny iny izy, dia nokapain'i Adrameleky sy Sarasara, zanany lahy, tamin'ny sabatra, ka nandositra tany amin'ny tanin'ny Ararata izy ireo, dia Asarhaddona, zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0847