Bokin'Izaia

Toko faha-38

1 Tamin'izany andro izany, narary efa ho faty Ezekiasa. Ary tonga tao aminy Izaia, zanak'i Amosa, nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty hianao, fa tsy ho velona intsony.

2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Ezekiasa, ka nivavaka tamin'ny Tompo; hoy izy: 3 Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao. Sady nitomany nanao ranomaso havozona Ezekiasa. 4 Dia tonga tamin'Izaia ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

5 Mandehana lazao amin'i Ezekiasa hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'i Davida, rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao. 6 Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asiria aho; ary hiaro ity tanàna ity. 7 Ary izao no famantarana omen'ny Tompo ho anao, hahafantaranao fa hotanterahin'ny Tompo izany teny nolazainy izany: 8 Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinin'ny masoandro azy, eo amin'ny ambaratongan'i Akaza, dia ambaratonga folo. Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin'ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro. 9 Zavatra nosoratan'i Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, fony izy narary ka sitrana tamin'ny aretiny:

10 Hoy aho: Dia amin'izao andro mbola iadanako izao aho no midina ho any amin'ny vavahadin'ny seoly; ka hanesorana amiko ny taonako sisa!

11 Hoy aho: Tsy mba hahita an'ny Tompo intsony aho, tsy hahita an'ny Tompo, eo amin'ny tanin'ny velona; tsy mba hahita ny olombelona intsony aho eo amin'ny mponina any amin'ny fonenana mangina!

12 Ny fonenako nesorina, nentina lavitra ahy, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry. Tahaka ny mpanenona aho manao ny tenon'ny fiainako, fa tapahany hiala amin'ny fanenomana aho! Hatramin'ny antoandro ka mandra-pihavin'ny alina dia hotaperinao ny aiko.

13 Tsy niteny tsy nivolana aho, mandra-pahamarainan'ny andro. Nanapatapaka ny taolako rehetra toy ny liona izy; hatramin'ny antoandro ka mandra-pihavin'ny alina dia hotaperinao ny aiko!

14 Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho, nitoloko toy ny voromailala aho, valalanina ny masoko, mijery any ambony:

15 Tompo o, anaovana an-tery setra aho, hianao anie no hiantoka ahy. Inona no holazaiko? Nilaza tamiko izy, nahavita izy. Handeha amim-panetre-tena aho, amin'ny taona iainako rehetra, mahatsiaro ny hangidin'ny aiko.

16 Tompo o, izany no fiainana, ao amin'izany rehetra izany ny fiainan'ny fanahiko. Mahasitrana ahy hianao, mampody ny aina amiko;

17 Koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko hianao, teo amin'ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.

18 Satria tsy mankalaza anao ny seoly, ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana anao; ireo midina any an-davaka, tsy manantena ny fahamarinanao intsony.

19 Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza anao tahaka izao ataoko anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.

20 Iaveh efa nalaky namonjy ahy; isika kosa hitendry hampaneno ny kofehin'ny lokangako amin'ny andro rehetra iainantsika, ao an-tranon'ny Tompo.

21 Hoy Izaia: Mitondrà ampempan'aviavy iray, dia apetaho amin'ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka. Ary hoy Ezekiasa: Inona no famantarana ahalalako fa hiakatra any amin'ny tranon'ny Tompo aho?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1046