Bokin'Izaia

Toko faha-39

1 Tamin'izany andro izany, Merodaka-Baladana, zank'i Baladana mpanjakan'i Babilona, nampitondra taratasy amam-panomezana ho an'i Ezekiasa, fa efa reny ny naharariany sy ny nahasitranany.

2 Faly Ezekiasa tamin'ny nahatongavan'ireo iraka ireo ka nasehony azy ny trano fitehirizany ny rakiny, ny volafotsy amam-bolamena, ny zava-manitra aman-diloilo sarobidy, ny trano fitehirizam-piadiany, mbamin'izay rehetra tao amin'ny trano firaketany; tsy nisy tsy nasehon'i Ezekiasa an'ireo na ny tao an-tranony, na ny teo amin'ny fanjakany rehetra. 3 Dia nankao amin'i Ezekiasa mpanjaka Izaia, mpaminany, ka nanao taminy hoe: Inona no nolazain'ireo olona ireo; ary avy aiza izy ireo no nankaty aminao? Hoy ny navalin'i Ezekiasa: Avy lavitra izy ireo no nankaty amiko; avy any Babilona.

4 Ary hoy Izaia: Inona avy no hitany tato an-tranonao? Ka hoy ny navalin'i Ezekiasa: Hitany avokoa izay rehetra ato an-tranoko; tsy misy tsy nasehoko azy ny firaketako rehetra. 5 Dia hoy Izaia tamin'i Ezekiasa: Henoy ny tenin'ny Tompon'ny tafika: 6 Indro ho avy ny andro, hitondrana any Babilona izay rehetra ato an-tranonao, sy izay rehetra nangonin'ny razanao mandrak'androany; tsy hasiana mijanona na inona na inona, hoy Iaveh. 7 Ary amin'ireo zanakao, avy amin'ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona. 8 Ka hoy Ezekiasa tamin'Izaia: Tsara ny tenin'ny Tompo nambaranao; ary nanampy teny izy nanao hoe: fa hisy fiadanana sy fandriana fahizay, amin'ny androko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1283