Bokin'Izaia

Toko faha-4

1 Amin'izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halanao tondromaso.

2 Amin'izany andro izany, ny solofon'ny Tompo ho haingo amam-boninahitra, ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka, ho an'ireo sisan'Israely afaka.

3 Ka izay ho tafajanona ao Siona, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an'ny fiainana.

4 Rahefa voasasan'ny Tompo, ny loton'ny zanakavavin'i Siona, ka voadiony Jerosalema amin'ny ra izay eo afovoany, amin'ny fanahin'ny fitsarana amam-panahin'ny fandringanana,

5 amin'izay dia hoforonin'ny Tompo eran'ny tendrombohitra Siona manontolo, sy eo ambonin'ny fivoriany, ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro, ary fahazavan'ny afo midedadeda amin'ny alina. Eo ambonin'ny voninahiny rehetra dia hisy elo;

6 fa hisy lay mba hanalokaloka, amin'ny fidaindainan'ny andro, ary ho fandosirana sy fialofana, amin'ny ranonoram-baratra sy ny ranonorana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0489