Bokin'Izaia
Izaia toko 40, 1-11
Hody famonjena be voninahitra ny fahoriana ankehitriny, famonjena azo antoka, fa Andriamanitra lehibe tsy misy fetra, nampanantena - Tsinontsinona eo anatrehany, ireo andriamanitry ny mpanompo sampy - Aoka hionom-po Israely.
1Ampionony, ampionony ny vahoakako,
hoy Andriamanitrareo.
2Mitenena amin'ny fon'i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy,
fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin'ny tànan'ny Tompo,
ny indroa heny valin'ny fahotany.
3Injany misy feo miantso hoe:
Misavà làlana any an'efitra, ho an'ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an'ny Andriamanitsika!
4Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
5Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan'ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan'ny Tompo no efa niteny.
6Injay misy feo manao hoe: Miantsoa!
dia nisy namaly hoe: Ahoana no antso hataoko?
- Ahitra ihany ny nofo rehetra,
ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny.
7Maina ny ahitra, malazo ny voniny,
rahefa seranin'ny fofon'ain'ny Tompo.
Eny, ahitra ihany ny olombelona:
8maina ny ahitra, malazo ny voniny,
fa ny tenin'Andriamanitra haharitra mandrakizay.
9Miakara eny an-tendrombohitra avo hianao,
izay mitondra ny teny soa ho an'i Siona.
Manandrata feo mafy hianao,
izay mitondra ny teny soa ho an'i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin'ny tanànan'i Jodà hoe:
Indro ny Andriamanitrareo!
10Indro fa tonga Iaveh Tompo, amin'ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fanapahana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
11Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian'ondry izy;
handray ny zanak'ondry amin'ny sandriny,
hitondra an'ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono. >