Bokin'Izaia

Toko faha-42

1 Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an'ny firenena izy.

2 Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.

3 Ny volotara, tsy hotapahany; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;

4 tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.

5 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon'aina ny olona eo aminy, sy fofon'aina ho an'izay mandeha eo.

6 Izaho Iaveh no niantso anao, tamin'ny fahamarinana, sy nandray tànana anao, miaro anao aho ary manao anao ho fanekem-pihavanana ho an'ny vahoakako sy fahazavan'ny firenena,

7 hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mifatotra eo amin'ny tranomaizina, sy ireo mipetraka ao anatin'ny haizina ao amin'ny fonja.

8 Izaho no Iaveh, izany no anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana ahy, tsy ho an'ny sampy.

9 Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako: alohan'ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo hianareo.

10 Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo; sy fiderana azy, hatramin'ny faran'ny tany, hianareo miantsambo amin'ny ranomasina sy monina ao aminy, hianareo, nosy, mbamin'ireo mponina aminareo!

11 Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin'ny tanàna eo aminy; ny toby onenan'i Sedara! Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà; aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra!

12 Aoka hanome voninahitra an'ny Tompo, sy hitory fiderana azy eny amin'ny nosy!

13 Fa mivoaka Iaveh toy ny lehilahy mahery; mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady, mandefa akoran'ady, akora mikotrokotroka; manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.

14 Ela nanginana aho; nitam-bava tsy niteny sy nanindry fo aho; mitolokoloko toy ny vehivavy miteraka, misentosento sy mihanahana aho.

15 Hofoanako ny tendrombohitra aman-kavoana; hataoko maina avokoa izay maitso eo aminy; hampanjariako nosy ny ony, ary hamainiko ny farihy.

16 Hampandehaniko amin'ny làlan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin'ny sakeli-dàlana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy avelako tsy hatao.

17 Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo, izay matoky ny sampy, izay milaza amin'ny sarin-javatra anidina hoe: Hianareo no andriamanitray.

18 Mihainoa, hianareo marenina; mihirata hijery, hianareo jamba!

19 Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko; iza no marenina tahaka ny iraka irahiko? Iza no jamba tahaka an'izay nataoko sakaizako, sy jamba tahaka ny mpanompon'ny Tompo?

20 Nahita zavatra maro hianao, fa tsy nahatana na inona na inona; nisokatra ny sofiny, fa tsy nandre na inona na inona izy.

21 Sitrak'Iaveh noho ny fahamarinany, ny nanome lalàna lehibe sy be voninahitra!

22 Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany. Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra; voahiboka ao an-tranomaizina izy; robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy, baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: Avereno!

23 Iza aminareo moa no hety handre izany dia handinika sy hihaino amin'ny sisa?

24 Iza no nanolotra an'i Jakoba horobaina, sy Israely hobaboina? Moa tsy Iaveh va, izay nanotantsika? Tsy nety nanaraka ny làlany izy ireo; ary ny lalàny tsy nohenoiny?

25 Dia nalatsany tamin'izy ireo ny afon'ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.052