Bokin'Izaia
Izaia toko 43
Hovonjen'Iaveh Israely, hahatanterahan'ny faminaniany.
1Ary ankehitriny, izao no lazain'ny Tompo,
dia ilay nahary anao, ry Jakoba,
sy namorona anao, ry Israely:
Aza matahotra fa izaho efa nanavotra anao,
izay efa niantso anao amin'ny anaranao, ka ahy hianao!
2Raha mita rano hianao, dia homba anao aho;
raha mamaky ny ony hianao, tsy hanafotra anao izy;
raha mandeha eo afovoan'ny afo hianao, tsy ho may;
ary ny lelafo tsy handoro anao.
3Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao;
ilay Masin'Israely no Mpamonjy anao.
Efa nomeko ho avotrao, Ejipta,
ary ho solonao Etiopia sy Sabà.
4Satria sarobidy eo imasoko
sy mendrika hohajaina hianao, sady tia anao aho,
hanome olona maro ho takalonao aho,
sy firenena maro, ho solon'ny ainao.
5Aza matahotra fa momba anao aho,
hamerina ny taranakao avy any Atsinanana aho,
ary hanangona anao avy any Andrefana.
6Ny Avaratra hilazako hoe: Atolory izy!
ary ny Atsimo hataoko hoe: Aza mitana azy!
Avereno ny zanakolahy, avy any lavitra any,
sy ny zanakovavy, avy any am-paran'ny tany,
7dia izay rehetra mitondra ny anarako,
izay nohariko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.
8Avoahy ny olona jamba mana-maso,
sy ny marenina manan-tsofina.
9Aoka hivory ny firenena rehetra,
sy hiangona ny vahoaka!
Iza amin'izy ireo no nanambara izany zavatra izany,
sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha?
Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazany izy;
aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: Marina izany!
10Hianareo no vavolombeloko, - teny marin'ny Tompo
sady mpanompoko, izay nofidiko;
mba hahafantaranareo sy hinoanareo ahy
ary hahazoanareo an-tsaina, fa izaho no izy.
Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako;
ary tsy hisy koa any aoriako.
11Izaho dia izaho ihany no Iaveh,
ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.
12Izaho no nilaza, izaho no namonjy, izaho no nilaza mialoha,
tsy mba andriamani-kafa eo aminareo;
ary hianareo no vavolombeloko - teny marin'ny Tompo.
13Izaho no Andriamanitra.
Amin'ny sisa izaho ihany koa no izy,
ary tsy misy olona mahafaka amin'ny tànako;
Hiasa aho, ka zovy moa no hahasakana izany?
14Izao no lazain'ny Tompo, mpanavotra anareo,
ilay Masin'Israely:
Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an'i Babilona aho,
ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo,
dia ny Kaldeana, ka hidina any amin'ny sambo ireharehany fatratra!
15Izaho no Iaveh, ilay Masinareo,
ilay mpahary an'Israely, mpanjakanareo!
16Izao no lazain'ny Tompo,
izay nanao làlana eny amin'ny ranomasina,
sakeli-dàlana eny amin'ny rano mahery,
17izay namoaka kalesy aman-tsoavaly,
sy tafika amam-piady mahery, hiantafika,
- indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra;
voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. -
18Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony,
ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony!
19Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao;
efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va hianareo?
Hanisy làlana any an'efitra aho,
sy ony eny an-tany karankaina.
20Hanome voninahitra ahy ny biby eny an-tsaha,
mbamin'ny amboadia sy ny ostritsa,
satria nanisy rano tany an'efitra aho,
sy ony eny amin'ny tany karankaina,
hampisotroina ny vahoakako, ny olom-boafidiko,
21ny vahoaka noforoniko mba ho ahy,
ka hitory ny fiderana ahy.
22Kanefa, ry Jakoba o, tsy mba niantso ahy hianao,
na nisahirana tamiko akory, ry Israely.
23Tsy mba nanateranao ny ondrin'ny sorona doranao aho,
na nomenao voninahitra tamin'ny soronao akory.
Tsy namesatra anao tamin'ny fanatitra aho
na nanasatra anao tamin'ny emboka manitra.
24Tsy lany vola namidy veromanitra ho ahy hianao;
na namoky ahy tamin'ny saboran-tsoronao;
fa hianao aza no namesatra ahy tamin'ny fahotanao,
nanasatra ahy tamin'ny tsy fahamarinanao.
25Izaho dia izaho ihany no mamono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny tenako,
ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
26Ampahatsiarovy aho; aoka hifandahatra isika.
Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao.
27Nanota ny rainao voalohany,
ary nivadika tamiko ireo mpanalàlanao.
28Ka izany no nanonganako an'ireo loholon'ny fitoerana masina,
nanolorako an'i Jakoba ho anatema
sy Israely ho fandatsa. >