Bokin'Izaia
Izaia toko 45
Sirosy nofidin'Iaveh hanangana an'i Jerosalema sy ny Tempoly indray, mba ho fantatra sy hankalazaina amin'ny tany rehetra ny anaran'Iaveh, ary mba ho voavonjy Israely sy hibebahan'ny firenena rehetra.
1Izao no lazain'ny Tompo, amin'ilay voahosony, amin'i Sirosy,
izay notantanako tamin'ny tànany havanana,
mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany,
sy hamaha ny fehin-kibon'ireo mpanjaka,
ary hamoha ny varavarana eo anoloany,
mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin'ireny izy.
2Izaho handeha eo alohanao,
handravona ny làlana mikitoantoana,
hanorotoro ny vavahady varahina,
ary hanapatapaka ny hidy vy.
3Homeko anao ny rakitra miafina,
sy ny harena voalevina,
mba hahafantaranao fa izaho no Iaveh,
Andriamanitr'Israely, izay niantso anao tamin'ny anaranao.
4Jakoba mpanompoko,
sy Israely voafidiko,
no niantsoako anao tamin'ny anaranao;
sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala ahy hianao.
5Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho!
Nampisikina anao aho, fony hianao mbola tsy nahalala ahy;
6mba hahafantaran'ny olona, hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany
fa tsy misy na inona na inona afa-tsy izaho!
Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.
7Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina;
manao ny fiadanana sy mahary ny loza;
izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.
8Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony;
ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana toy ny ranonorana!
Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena,
ka hampitsimoka ny fahamarinana, miaraka amin'izany!
Izaho Iaveh no mahary ireo zavatra ireo.
9Loza ho an'izay miady hevitra amin'ilay namorona azy,
nefa tavim-bilany isan'ny tavim-bilany tany ihany izy.
Ny tanimanga va hilaza amin'izay namolavola azy hoe: Inona ity ataonao?
Ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tànana izy?
10Loza ho an'izay manao amin-dray anankiray hoe: Nahoana no miteraka hianao?
na amin'ny vehivavy iray hoe: Nahoana no velom-bao hianao?
11Izao no lazain'ny Tompo,
ilay Masin'Israely sy izay namorona azy:
Sahinareo va ny hanontany ahy ny amin'ny ho avy,
dia ny hanome didy ahy ny amin'ny zanako sy ny asan'ny tànako?
12Izaho no nanao ny tany,
sy nahary ny olona eo amboniny;
izaho no namelatra ny lanitra tamin'ny tànako,
izaho no mandidy ny tafika rehetra eo aminy.
13Izaho no nanangana azy io, tamin'ny fahamarinako,
ka mandravona ny làlany rehetra;
Izy no hanangana ny tanànako indray,
sy hampody ny oloko voababo,
tsy amin'avotra na fanatitra,
hoy Iavehn'ny tafika.
14Izao no lazain'ny Tompo:
Ny vokatra azon'i Ejipta, ny tombony azon'i Etiopia,
sy ny Sabeana olona lava tsanganana,
dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao,
fa izy ireo dia hanaraka anao;
ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao,
ary hifompòna aminao, hanao hoe:
Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa.
Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!
15Marina tokoa fa Andriamanitra miafina hianao,
ry Andriamanitr'Israely mpamonjy ô!
16Menatra sy mangaihay avokoa izy rehetra,
lasa mandeha amin-kenatra ny mpanao sampy.
17Fa Israely kosa novonjen'ny Tompo amin'ny famonjena mandrakizay;
tsy ho menatra na hangaihay intsony hianareo, amin'ny taona ho avy.
18Fa izao no lazain'ny Tompo,
izay nahary ny lanitra,
izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany,
sy nahavita ary nampiorina azy,
ka tsy nataony ho zava-mifanjevo foana,
fa nataony ho fonenana:
Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
19Tsy niteny tao amin'ny mangingina aho,
tao amin'ny toerana maizimaizina amin'ny tany.
Tsy nilaza tamin'ny taranak'i Jakoba aho nanao hoe:
Aoka hitady ahy foana anie hianareo!
Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina,
manambara ny fahamarinana.
20Mivoria hianareo, ka avia, miaraha manatona,
ry sisan'ny firenena izay afaka.
Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampi-hazony,
sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
21Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy;
ary aoka hiara-misaina avokoa izy!
Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin'ny voalohany,
sy nanambara izany hatramin'ny ela?
Tsy izaho Iaveh va?
Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho;
Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.
22Mitodiha atý amiko, dia hovonjena hianareo,
hianareo rehetra mponina amin'ny tany,
fa izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
23Efa nianiana tamin'ny tenako aho;
ny marina no aloaky ny vavako,
dia ny teny iray, izay tsy hofoanana:
Ny lohalika rehetra handohalika amiko,
ary ny lela rehetra hianiana amiko.
24Izao no hilazan'ny olona ahy: Amin'ny Tompo irery
no mitoetra ny fahamarinana sy ny hery!
Hanatona azy ny olona; fa ho menatra kosa
izay rehetra tezitra taminy.
25Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin'ny Tompo avokoa,
ny taranak'Israely rehetra. >