Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 46
Ny naha-samihafa ny sampy sy Andriamanitra.

       1Mirodana Bela, miletsy Nebao;
ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny.
Ireo sampy izay nentinareo dia ataingina
toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.
       2Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy;
tsy nahavonjy ny entana izy;
lasan-ko babo mbamin'ny tenany aza.
       3Mihainoa ahy, ry taranak'i Jakoba,
mbaminareo sisa rehetra amin'ny taranak'Israely;
hianareo izay nataoko an-tsangory hatry ny fony vao teraka,
nentiko hatreny an-kibon-dreninareo.
       4Tsy hiova aho hatramin'ny fahanteranareo,
fa hanohana anareo mandra-pahafotsivolo anareo.
Efa nanao izany aho, ka mbola hitondra anareo;
hanohana anareo sy hanafaka anareo.
       5Hampitahainareo amin'iza aho, ary hataonareo sahala amin'iza?
Hampitahafinareo amin'iza aho ka hitovy izahay?
       6Izy ireo dia maka volamena ao an-kitapony,
mandanja volafotsy amin'ny mizana,
ary manakarama mpanao anidina, hanao andriamanitra amin'izany,
dia miankohoka sy mivavaka.
       7Lanjainy io, tohanany,
dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin'ny fitoerany;
ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin'ny fitoerany izy.
Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy,
na mahavonjy olona ho afaka amin'ny fahoriany.
       8Mihevera izany, ary misehoa ho lehilahy;
ampoizo izany, ry mpiodina;
       9tsarovinareo ny zavatra lasa, tamin'ny andro taloha.
Eny, izaho dia Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
       10Andriamanitra aho, ary tsy misy mitovy amiko,
izaho no manambara ny farany, hatramin'ny voalohany,
sy ny mbola tsy eo akory, hatrarý aloha ela;
izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako,
ary hefaiko ny sitra-poko rehetra;
       11izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana,
dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra.
Efa niteny aho, ka hanatanteraka!
Efa nikasa aho, ka hanefa izany!
       12Mihainoa ahy, hianareo olona madi-po,
izay lavitry ny fahamarinana.
       13Ampanakekeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy;
ary ny famonjeko tsy ho ela;
hanome famonjena an'i Siona aho,
sy ny voninahitro ho an'Israely. >