Bokin'Izaia

Toko faha-48

1 Mihainoa izao, ry taranak'i Jakoba, hianareo izay antsoina amin'ny anaran'Israely; nateraky ny loharanon'i Jodà, mianiana amin'ny anaran'ny Tompo, ary mankalaza ny Andriamanitr'Israely, nefa tsy amin'ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.

2 Fa maka ny anarany amin'ny tanàna masina izy ireo, sy miankina amin'ny Andriamanitr'Israely, izay mitondra anarana hoe: Iavehn'ny tafika.

3 Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin'ny ela; naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso; ary tampoka aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo.

4 Noho ny fahalalako fa hianao dia mafy hatoka, ary anja-by ny vozonao, sy varahina ny handrinao,

5 dia nambarako taminao hatramin'ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan'ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.

6 Efa nandre izany hianao; jereo fa tanteraka avokoa izy; fa hianareo kosa, tsy hanambara izany va hianareo? Ankehitriny mampandre anao zava-baovao aho, dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.

7 Vao izao no noharina izany, fa tsy taloha; hatramin'izao anio izao, tsy mbola nandre izany hianao, fandrao lazainao hoe: Indro fa efa fantatro ihany izany.

8 Tsy mbola nandre izany hianao, tsy nahalala izany hianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro hianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika.

9 Noho ny anarako, dia manindry ny hatezerako aho, ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao aho, mba tsy hamongorana anao.

10 Indro fa nandrendrika anao aho, nefa tsy nahazo volafotsy; ary nizaha toetra anao tamin'ny memin'ny fahoriana aho.

11 Noho ny fitiavako ny tenako, dia noho ny fitiavako ny tenako no hanaovako izany; satria ahoana no hanazimbana ny anarako? Tsy hafoiko ho an'ny hafa ny voninahitro.

12 Mihainoa ahy, ry Jakoba, sy hianao, ry Israely, izay nantsoiko; Izaho dia izaho no voalohany, izaho koa no farany.

13 Ny tànako ihany no nanorina ny tany, ary ny tànako an-kavanana no namelatra ny lanitra; izaho no miantso azy ireo, dia tonga miaraka amin'izay izy.

14 Mivoria hianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin'ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian'ny Tompo dia hanatanteraka ny sitra-pony amin'i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeana. -

15 Izaho dia izaho ihany no niteny sady niantso azy; nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.

16 Manatòna ahy hianareo, ka henoy izao: Hatramin'ny voalohany, tsy niteny an-takontakona aho; hatramin'ny ahatongavan'ireo zavatra ireo dia eo aho; - Ary ankehitriny Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban'ny Fanahiny. -

17 Izao no lazain'ny Tompo mpanavotra anao, ilay Masin'Israely: Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin'ny làlana tokony halehanao aho.

18 Enga anie ka hihaino ny teniko hianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;

19 ho tahaka ny fasika ny taranakao; dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao; tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.

20 Mivoaha avy ao Babilona, mandosìra ny Kaldeana, amin'ny hobin-kafaliana! Torio izany, ataovy antso avo koa, ampandreneso hatrany am-paran'ny tany! Lazao hoe: Iaveh efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony!

21 Tsy mangetaheta ireo any amin'ny efitra nitondrany azy: fa mampiboiboika rano avy amin'ny vatolampy izy ho an'ireo; mampitresaka ny vatolampy izy, dia migororoana ny rano. Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0497