Bokin'Izaia
Izaia toko 49, 8-15,
<8Izao no lazain'ny Tompo:
Mihaino anao amin'ny andro fankasitrahana aho,
ary mamonjy anao amin'ny andro famonjena;
niaro anao aho, ary nanangana anao ho faneken'ny firenena,
hanandratra indray ny tany,
hizara ny lova nosimbana;
9hilaza amin'izay lasan-ko babo hoe: Mivoaha!
sy amin'izay ao anatin'ny aizina hoe: Mankanesa atý amin'ny mazava;
hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny làlana,
ary ny vilon-kohaniny dia eny amin'ny havoana rehetra;
10tsy ho noana izy na hangetaheta,
tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro.
Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo,
sy hitondra azy ho eo amin'ny rano miboiboika.
11Hataoko làlana ny tendrombohitra rehetra;
ary hasandratra indray ny làlako.
12Indreo ny sasany avy lavitra;
indreo ny sasany avy any avaratra sy avy any andrefana,
ary indreo koa ireo avy any amin'ny tanin'ny Sinima.
13Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany!
Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra!
Fa Iaveh efa nampionona ny vahoakany,
sy nangoraka ireo azy nampahorina!
14Hoy Siona: Nafoin'ny Tompo aho;
hadinon'ny Tompo aho! -
15Hanadino ny taizany va ny vehivavy,
ka tsy hamindra fo amin'ny naloaky ny kibony?
Na hanadino aza ny reny,
izaho tsy mba hanadino anao! >