Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 5, 1-7
Fanoharana amin'ny tanimboaloboka - Fandrahonana ny tsy mahay mankasitraka - Famaizana (24-30).

       1Andeha hihira ho an'ny malalako aho,
ilay hiran'ny malalako, ny amin'ny tanim-boalobony.
Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka,
teo amin'ny tanety mahavokatra.
       2Ka nasainy ny tany, nesoriny ny vato taminy;
ary namboly karazam-boaloboka teo izy.
Nanorina tilikambo teo afovoany izy,
ary nandavaka famiazam-boaloboka koa.
Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy,
kanjo divay marikivy no vokany.
       3Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema,
sy olona any Jodà,
masìna hianareo, tsarao aho,
sy ny tanim-boaloboko!
       4Inona moa no mbola tokony ho natao tamin'ny tanim-boaloboko,
ka tsy nataoko taminy?
Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany,
kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?
       5Koa ankehitriny haposako aminareo,
izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko:
hongotako ny fefiny,
dia horaotina izy;
harodako ny tambohony,
dia ho voahosihosy izy.
       6Hataoko tany foana izy;
ka tsy hohetezana na hasaina intsony;
fa hanirian'ny hery aman-tsilo;
ary handidy ny rahona aho,
tsy handatsaka orana aminy intsony.
       7Fa ny taranak'Israely,
no tanim-boalobok'Iavehn'ny tafika,
ary ny olona any Jodà,
no voly nolalainy;
hitsiny no nantenainy taminy,
kanjo ra latsaka no niseho;
ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita. >