Bokin'Izaia

Toko faha-50

1 Izao no lazain'ny Tompo: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.

2 Tonga aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tànana va aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery ho enti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin'ny hetaheta ireny.

3 Azoko tafiana fahamaintisana ny lanitra, sy saronana amin'ny lamba fisaonana.

4 Nomen'ny Tompo Tompo, ny lelan'ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin'ny teniko. Mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon'ny mpianatra.

5 Nosokafan'ny Tompo Tompo ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory,

6 Natolotro tamin'ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin'ireo nanongotra ny volombavako ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin'ny latsa sy ny rora.

7 Fa Iaveh Tompo namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.

8 Akaiky ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy? Aoka hifanatrika isika! Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankaty amiko! -

9 Iaveh Tompo namonjy ahy: Ka iza no hanameloka ahy? He! ho kotikotika hoatra ny vorodamba izy rehetra, ho lanin'ny kalalao!

10 Iza aminareo no matahotra an'ny Tompo, sy mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'ny Tompo, sy hiankina amin'ny Andriamaniny!

11 Fa hianareo rehetra mampirehitra afo kosa, sy mandray zana-tsipìka mirehitra ho fiadiana, mandehana amin'ny lelafonareo, sy eo afovoan'ny zana-tsipìka narehitrareo! Izao no hanjo anareo avy amin'ny tànako; hampandrina amin'ny fahoriana hianareo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883