Bokin'Izaia
Izaia toko 50, 4-7.
<4Nomen'ny Tompo Tompo,
ny lelan'ny mpianatra aho,
mba hahaizako mankahery ny reraka, amin'ny teniko.
Mamoha isa-maraina izy;
mamoha ny sofiko izy,
mba hihainoako, hoatra ny fihainon'ny mpianatra.
5Nosokafan'ny Tompo Tompo ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho,
na nihemotra akory,
6Natolotro tamin'ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin'ireo nanongotra ny volombavako ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko
tamin'ny latsa sy ny rora.
7Fa Iaveh Tompo namonjy ahy,
ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato,
ary fantatro fa tsy ho menatra aho. >