Bokin'Izaia

Toko faha-51

1 Mihainoa ahy, hianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an'ny Tompo. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.

2 Diniho Abrahama rainareo; sy Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy, dia notahiko sy nohamaroiko.

3 Satria efa nampionona an'i Siona Iaveh, ka nampiononiny ny rava rehetra teo; novany ho tahaka an'i Edena ny efitra teo; ary ho zaridainan'ny Tompo ny tany foana tao. Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao, mbamin'ny hira fisaorana amam-peo mozika.

4 Mihainoa ny feoko, ry vahoakako, manongilàna sofina, ry fireneko! fa hamoaka lalàna aho, ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena.

5 Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko: ary hitsara ny firenena ny sandriko; manantena ahy ny nosy, ary matoky ny sandriko izy.

6 Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, dia ampidino ho amin'ny tany ny fijerinareo; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka; ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana; ny mponina eo aminy ho levona torak'izany koa; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay; ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.

7 Mihainoa ahy, hianareo mahalala ny fahamarinana, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao. Aza matahotra izay latsan'olombelona; na mivadi-po amin'izay fanaratsian'izy ireo.

8 Fa ho lanin'ny kalalao, hoatra ny fitafiana izy ireo, ary hokotehin'ny tsindoha, hoatra ny volon'ondry. Fa ny fahamarinako kosa haharitra mandrakizay; ary ny famonjeko hihatra amin'ny taona rehetra.

9 Mifohaza, mifohaza hianao, mitafia hery, ry sandrin'ny Tompo! Mifohaza toy ny tamin'ny andro taloha, tahaka ny tamin'ny taona fahiny. Tsy hianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?

10 Tsy hianao va no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano tao amin'ny hantsam-be. Ka nanao ny fanambanin'ny ranomasina ho làlana nalehan'ny navotana?

11 Koa hiverina ny navotan'ny Tompo; dia hiditra ao Siona amin'ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana. -

12 Izaho dia izaho no mampionona anareo; fa iza moa hianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak'olombelona mihelina hoatra ny ahitra;

13 ka dia manadino an'ny Tompo, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan'ny fisafoaky ny mpanapaka masiaka rahefa mioman-kandrava anao izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?

14 Vetivety foana, dia ho voavaha izay mitanondrika; tsy ho faty ao an-davaka izy; ary tsy ho diso hanina.

15 Izaho dia Iaveh Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Iavehn'ny tafika no anarany.

16 Nataoko tao am-bavanao ny teniko, ary noalofako tamin'ny aloky ny tànako hianao, mba hamboly lanitra sy hanorina tany, ary hilaza amin'i Siona hoe: Vahoakako hianao!

17 Mifohaza, mifohaza, miarena hianao, ry Jerosalema, izay efa nisotro ny kapoaky ny hatezerana, avy amin'ny tanan'ny Tompo; izay efa nisotro sy nandany ny kapoaka mahajenjina!

18 Tsy nisy nitari-dàlana azy, na iray aza, ny zanany naterany rehetra. Tsy nisy nitantana azy, na iray aza, ny zanaka notezainy rehetra.

19 Loza roa no namely anao: - iza moa no hanao teny mangoraka anao? - Dia ny fandravana amam-pandringanana, ny mosary sy ny sabatra, - hataoko ahoana no fampionona anao? -

20 Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka eny an-joron-dàlana rehetra eny, mova tsy ny antilopa voan'ny fandrika harato, jenjin'ny hatezeran'ny Tompo sy ny fandrahonan'ny Andriamanitrao.

21 Koa mihainoa izao, ry kala fadiranovana, jenjina, fa tsy amin-divay!

22 Izao no lazain'ny Tompo Tomponao sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany: Indro efa nesoriko teny an-tànanao, ny kapoaka mahajenjina, ny kapoaky ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony hianao, izao sisa izao.

23 Hataoko eo an-tanan'ny mpanenjika anao izany, dia amin-dry zareo nanao taminao hoe: Miondreha handehananay! Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany, sy toy ny lalambe ho an'ny mpandeha!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1682