Bokin'Izaia

Toko faha-52

1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siona! Tafio ny fitafiana fitondranao amin'ny fety, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.

2 Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna hianao, mipetraha hianao, ry Jerosalema; vahao ny fatorana amin'ny vozonao, ry voababo, zanakavanin'i Siona.

3 Fa izao no lazain'ny Tompo: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo; ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo!

4 Fa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ny honina any no nidinan'ny vahoakako tany Ejipta fahiny; ary tatý aoriana dia nampahorin'i Asora, tsy ahoan-tsy ahoana izy.

5 Koa ankehitriny, inona no hataoko eto? - teny marin'ny Tompo fa nobaboina tsy an-drariny ny vahoakako? Ny mpanapaka azy masiaka, manerona; - teny marin'ny Tompo, ary ny anarako, tevatevaina tsy an-kijanona, isan'andro.

6 Koa indro, hahalala ny anarako kosa ny vahoakako; eny, ho fantany amin'izany andro izany, fa izaho no miteny hoe: Inty aho!

7 Endrey izany hatsaran'ny tongotr'ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin'i Siona hoe: Manjaka ny Andriamanitrao!

8 Ny feon'ny mpitilinao! Manandra-peo izy ireo, miara-mihoby an-kafaliana, satria hitany maso ny fiverenan'ny Tompo ao Siona.

9 Miaraha mihoby an-kafaliana, ry Jerosalema rava! Fa Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy efa nanavotra an'i Jerosalema.

10 Nasehon'ny Tompo ny sandrin'ny fahamarinany, hiharihary eo imason'ny firenena rehetra. Ary ny faran'ny tany rehetra, hahita ny famonjen'ny Andriamanitsika.

11 Mialà, mialà, mivoaha teo hianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy; mandiova tena hianareo, izay mitondra ny fanak'Iaveh.

12 Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr'Israely no ho vodilàlanareo!

13 Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.

14 Toy ny nigagan'ny maro nahita azy, - fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehany efa hoatra ny tsy tarehan'olombelona intsony; ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak'olombelona intsony, -

15 no hampiontanany firenena maro. Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0968