Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 52, 7-10

       <7Endrey izany hatsaran'ny tongotr'ilay iraka eny an-tendrombohitra,
izay mitory ny vaovao mahafaly,
dia ny fiadanana;
ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena;
ilay milaza amin'i Siona hoe:
Manjaka ny Andriamanitrao!
       8Ny feon'ny mpitilinao! Manandra-peo izy ireo,
miara-mihoby an-kafaliana,
satria hitany maso
ny fiverenan'ny Tompo ao Siona.
       9Miaraha mihoby an-kafaliana,
ry Jerosalema rava!
Fa Iaveh efa nampionona ny vahoakany,
sy efa nanavotra an'i Jerosalema.
       10Nasehon'ny Tompo ny sandrin'ny fahamarinany,
hiharihary eo imason'ny firenena rehetra.
Ary ny faran'ny tany rehetra,
hahita ny famonjen'ny Andriamanitsika. >