Bokin'Izaia

Toko faha-53

1 Iza no nino izay renay, ary iza no nanehoana ny sandrin'ny Tompo?

2 Fa nisondrotra teo anatrehany izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.

3 Nesorina sy nilaozan'ny olona izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan'ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively.

4 Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery azy ho olom-boasazy, nokapohan'Andriamanitra sy naetry.

5 Kanefa izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.

6 Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny làlany avy isika; ary nazeran'ny Tompo taminy avokoa ny helotsika rehetra.

7 Vonoina izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory izy; tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, tahaka ny ondrivavy eo anatrehan'izay manety azy; tsy miloa-bava akory.

8 Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsarana; ary iza moa tamin'ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra, fa nofongorana eo amin'ny tanin'ny velona izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan'ny vahoakako?

9 Natao hiray fasana tamin'ny ratsy fanahy izy; ary eo amin'ny mpanan-karena nony efa maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.

10 Sitrak'Iaveh ny nanorotoro azy tamin'ny fijaliana, nefa rahefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana, ary hambinina eo an-tànany ny hevitra nokasain'ny Tompo.

11 Noho ny fijalian'ny fanahiny, dia hahita izy, ka ho afa-po. Ilay marina, mpanompoko, noho ny fahalalany, hanamarina olona betsaka, ary ny tenany hivesatra ny helok'ireo.

12 Noho izany homeko anjara eo amin'ny lehibe izy, ary hiara-mizara babo amin'ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan'ny mpanao ratsy: ary ny tenany no nitondra ny fahotan'ny maro, sady hanao fifonana ho an'ny mpanota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1887