Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 55, 1-11
Fiantsoana hanararaotra ny famonjena atolotra, omena maimaim-poana ny olona rehetra, sady efa akaiky dia akaiky - Tsy maintsy ho tanteraka ny tenin'Andriamanitra.

       1Hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin'ny rano,
na dia hianareo tsy manam-bola aza;
avia mividiana vary, ka mihinàna;
avia hividy tsy amim-bola,
na takalo, hividy divay sy ronono.
       2Nahoana hianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina;
sy izay nisasaranareo, amin'izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa ahy, ary mihinana izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin'izay hanina fy.
       3Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo aho,
ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an'i Davida.
       4Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin'ny firenana;
ho mpanapaka sy mpandidy ny firenena.
       5Indro hianao hiantso ny firenena tsy fantatrao,
ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo ho aminao,
noho ny amin'ny Tompo Andriamanitrao,
sy ilay Masin'Israely, satria nomeny voninahitra hianao.
       6Mitadiava an'ny Tompo, dieny mbola mety ho hita izy;
miantsoa azy dieny mbola akaiky izy.
       7Aoka ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany,
ary ny meloka amin'ny heviny;
ka hiverina amin'ny Tompo izy, dia hamindrany fo;
dia amin'Andriamanitra fa mamela malalaka izy.
       8Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo,
ary ny làlanareo, tsy mba làlako. - Teny marin'ny Tompo.
       9Tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany,
no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo,
sy hahavon'ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
       10Tahaka ny ranonorana aman'oram-panala milatsaka
avy any an-danitra ka tsy miverina any,
raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy,
ary hanina ho an'ny mpihinana;
       11toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako,
tsy miverina amiko foana izy,
fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy. >