Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 57
Izay manaraka ny fanompoan-tsampy dia hosazin'Andriamanitra - Fa izay matoky azy kosa hovaliany soa.

       1Lasa tsy hita intsony ny marina,
nefa tsy misy misaina ao am-pony;
alaina ny olona tia vavaka,
nefa tsy misy mihevitra akory
fa nesorina ho afaka amin'ny loza ny marina,
       2ka miditra ho amin'ny fiadanana izy!
Mandry ao amin'ny fandriany,
izay nanaraka ny làla-mahitsy.
       3Fa manatona kosa, hianareo,
ry zanak'i kala mpanao ody,
ry taranaky ny mpaka vadin'olona sy mpijangajanga!
       4Iza no hanihaninareo?
Iza no isanasananareo vava
sy itranganareo lela?
Tsy zanaky ny mpanao ratsy va hianareo,
sy taranaka mpandainga?
       5Mirehidrehitra hianareo eo ambanin'ny terebinta,
sy eny ambanin'izao hazo maitso rehetra izao!
Mamono zaza eny an-dohasaha,
ambanin'ny tsefatsefa-karambato!
       6Ny vato kilonjy eny an-dohasaham-driaka, no anjaranao,
izany dia izany no anjaranao!
Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka,
sy notoloranao fanatitra!
Moa tsy maintsy hahafa-po ahy va izany?
       7Nanorina ny fandrianao,
tany an-tendrombohitra avo sy manerinerina hianao!
Dia niakatra tany hianao
hanao sorona.
       8Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-bavaravana hianao,
no nametraka ny fahatsiarovanao.
Fa lavitra ahy hianao miala rako-dambam-pandriana,
miakatra ao sy manitatra ny fandrianao hianao,
ary nandraikitra ny tambinao tamin'izy ireo;
mankamany ny fifamihinany aminao hianao,
mandoto ny masonao hianao.
       9Miseho eo anatrehan'ny mpanjaka hianao mitondra diloilo:
ataonao betsaka ny zava-manitrao;
alefanao lavitra ny irakao;
mietry hatrany amin'ny seoly hianao.
       10Reraka noho ny fandehandehananao matetika hianao;
tsy mba nilaza hoe: Aim-bery foana izany!
Hitanao fa mbola misy hery ny tànanao,
ka izany no tsy ahatsiarovanao marary.
       11Fa iza ary no atahoranao? iza no ahinao,
no dia mivadika amiko hianao,
ka tsy mba mahatsiaro ahy,
sy tsy asianao raharaha akory aho?
Moa tsy nangina aho, ary efa hatry ny ela,
dia hatrizay tsy natahoranao ahy izay?
       12Izaho no hanambara ny fahamarinanao,
ary ny asanao izay tsy mahasoa anao akory.
       13Rahefa hitaraina hianao, aoka hamonjy anao
ireo antontan'andriamanitrao!
Ho paohin'ny rivotra avokoa ireo,
hindaosin'ny tsotso-drivotra!
Fa izay matoky ahy no handova ny tany,
sy ho tompon'ny tendrombohitra masina.
       14Ary hisy hilaza hoe: Savao, savao ny làlana, areno izy,
Esory ny misakantsakana rehetra eo amin'ny làlan'ny vahoakako!
       15Fa izao no lazain'ny Avo-Indrindra,
izay mipetraka amin'ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe: ilay Masina:
Mitoetra eo amin'ny fitoerana avo sy masina aho,
ary koa ao amin'ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy,
mba hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena,
sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo.
       16Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho,
na hitahiry fahatezerana mandrakizay;
satria amin'izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy,
sy ny aina izay nataoko.
       17Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra aho
ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita aho;
ary izy kosa maditra, nanaraka ny làlan'ny sitra-pony!...
       18Hitako ny làlany ary hanasitrana azy aho;
hitari-dàlana azy, ary hamerina aminy
ny fampiononako, ho azy sy ho an'ireo malahelo eo aminy.
       19Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe:
Fiadanana, fiadanana, ho an'ny lavitra sy ny akaiky,
hoy Iaveh, ary hanasitrana azy aho!...
       20Fa ny ratsy fanahy kosa, tahaka ny ranomasina manonja,
izay tsy mety mitony,
ary manakobana tany dilatra amam-potaka ny onjany.
       21Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro. >