Bokin'Izaia

Toko faha-58

1 Manezaha antso mafy, ka aza tànana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trompetra ny feonao, ka ambarao amin'ny vahoakako ny fahotany, ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahadisoany.

2 Mitady ahy isan'andro izy ireo, samy maniry hahalala ny làlako, mova tsy ny firenena efa nanaraka ny rariny, sy tsy mba nahafoy ny didin'Andriamanitra akory. Mangataka fitsarana marina amiko izy, ary maniry hohatonin'Andriamanitra:

3 Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany, sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany? - Amin'ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo; ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra.

4 Sady miady sy mifandritra hianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin'izany andro izany tsy mba hihainoana ny feonareo any amin'ny avo.

5 Moa izany va no fifadiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren'ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin'ny lasaka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahan'ny Tompo?

6 Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan'ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?

7 Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin'izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?

8 Amin'izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan'ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha làlana anao; ny voninahitry ny Tompo ho vodi-làlanao.

9 Amin'izany hianao hiantso, ary Iaveh hamaly; hianao hitaraina, ary izy hanao hoe: Inty aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambanana sy ny teny manala baraka;

10 raha manome ny haninao ho an'ny noana hianao, sy mamoky ny fanahy miferin'aina; hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny aizinao:

11 ary Iaveh hitari-dàlana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin'ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka hianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.

12 Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; hianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dàlana hahatonga ny tany ho azo honenana.

13 Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin'ny fanaovana ny raharahanao amin'ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin'ny Tompo hoe, mendrika ho hajaina. Koa manajà azy amin'ny tsy fanarahana ny làlanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;

14 dia hahita fahafinaretana ao amin'ny Tompo hianao amin'izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin'ny avo amin'ny tany, sy hampiaraniko amin'ny lovan'i Jakoba rainao; fa ny vavan'ny Tompo no efa niteny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0366