Bokin'Izaia

Toko faha-59

1 Indro fa tsy ny tànan'ny Tompo no fohy ka tsy mahavonjy, tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare;

2 fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny tavany tsy hihainoany anareo.

3 Satria ny tànanareo voaloto tamin'ny ra: ary ny rantsan-tànanareo tamin'ny heloka. Ny molotrareo miteny lainga; ny lelanareo milaza teny ratsy.

4 Tsy misy mitory olona ara-drariny, na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny; fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany; torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.

5 Mikotrika atody menarana izy, sy manenona tranon-kala: izay mihinana amin'ny atodiny, ho faty; ary raha potsirina izany, dia menarana no mivoaka avy ao.

6 Ny tenona ataony tsy azo itafiana; ary ny taozavany tsy azo irakofana; fa asa mahameloka ny asany, ary asa mandoza no ao an-tànany.

7 Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy, sy mimaona handatsaka ny ra tsy manan-tsiny; ny heviny dia hevitra mahameloka; fandravana amam-pandringanana no eo amin'ny alehany.

8 Tsy mahalala ny làlan'ny fiadanana izy; ary tsy mba misy hitsiny eo amin'ny làlany; fa làla-miolakolaka no soritany haleha, ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana.

9 Noho izany, nanalavitra antsika ny fitiavana marina, ary tsy tonga hatraty amintsika ny fahamarinana. Miandry ny mazava isika, kanjo ny aizina no indro eo; miandry ny fahazavan'ny andro, kanjo mandeha amin'ny maizina ihany.

10 Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika, miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva; eo afovoan'ny olona matanjaka isika dia sahala amin'ny olona maty.

11 Manerona hoatra ny orsa avokoa isika; ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromailala; miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy, miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany.

12 Fa ny fiodinanay, efa maro eo anatrehanao; ary ny fahotanay, mitsangan-ko vavolombelona mamely anay; eny, eto anatrehanay ny fiodinanay, ary fantatray ny helokay:

13 dia ny nivadika sy nandà an'ny Tompo, nihataka nanalavitra ny Andriamanitray, niteny fampahoriana amam-pikomiana; namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!...

14 Ka dia nihataka ny rariny, ary lavitra anay eny ny fahamarinana; fa tafintohina eo an-kianja malalaka ny fahamarinana, ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny:

15 Lasana ny fahamarinana, ka baboina izay mifady ny ratsy. Hitan'ny Tompo izany ka tsy sitraky ny masony, ny tsy fisian'ny hitsiny intsony.

16 Hitany fa tsy nisy olona teo, ary gaga izy fa tsy nisy nanalana akory. Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy azy, ary ny fahamarinany no nanohana azy.

17 Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra izy, ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany; ny famaliana no nataony ho akanjo fiadiana, ary nihodidina tamin'ny fahasarotam-piaro, toy ny amin'ny kapaoty izy.

18 Hifandanja amin'ny asa natao ny valy, dia hatezerana ho an'ny mpandrafy azy, valim-bonoana ho an'ny fahavalony, hanao valim-bonoana amin'ireo nosy izy.

19 Dia hatahorany hatrany andrefana ny anaran'ny Tompo, ary hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fihaviny ho toy ny ony maria, ampandehanin'ny fofon'ain'ny Tompo.

20 Ho avy izy ho Mpanavotra ho an'i Siona, sy ho an'ny ao amin'i Jakoba, izay hibebaka amin'ny helony; - teny marin'ny Tompo.

21 Ary izaho kosa, dia izao no fanekeko amin'izy ireo, hoy Iaveh: Ny fanahiko izay ao aminao, sy ny teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan'ny zanakao, ary eo am-bavan'ny zanaky ny zanakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783