Bokin'Izaia

Toko faha-6

1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony.

2 Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manan'elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany. 3 Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: Masina, masina, masina Iaveh'ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra. 4 Nihozongozona ny fanambanin'ny vavahady, noho ny feon'izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano.

5 Ka hoy aho tamin'izay: Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena hitoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn'ny tafika! 6 Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin'ireo Serafima, nitondra vain'afo teny an-tànany, nalainy tamin'ny tandra, teo ambony otely.

7 Nakasiny tamin'ny vavako izany, dia hoy izy: Jereo, efa voakasik'ity ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao. 8 Dia nandre ny feon'ny Tompo aho, nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho any? Ka hoy aho: Inty aho; iraho aho.

9 Ary hoy izy: Mandehana ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa hianareo, fa aza mahafantatra; aoka hahita hianareo fa tsy hahazo an-tsaina.

10 Ataovy lamodamoka ny fon'ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre ny sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana.

11 Ary hoy aho: Mandra-pahoviana, ry Tompo? Ka hoy ny navaliny: Mandra-paharingan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao;

12 mandra-pitondran'ny Tompo ny olona any lavitra, ka ho be ny lao amin'ny tany.

13 Ary na ny ampahafolon'ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rahefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr'Israely, dia ho tsimoka masina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2839