Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 60
Ny voninahitr'i Jerosalema vaovao - Ny firenena rehetra mitondra fanatitra ho azy, sy manatitra ny zanany eo aminy; midodododo hanamboatra sy handravaka azy, izy ireo - Fonenan'ny fahamasinana izy, ary arovan'Iaveh.

       1Mitsangana, ka namirapirata! fa miposaka ny fahazavanao;
ary miposaka eo aminao, ny fahazavan'ny Tompo.
       2Indro ny aizina fa manarona ny tany,
ary ny aizim-pito manarona ny firenena;
fa Iaveh kosa no miposaka eo aminao;
ary ny voninahiny miseho eo aminao.
       3Mandroso ho amin'ny fahazavanao ny firenena,
ary ho eo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao ny mpanjaka.
       4Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo,
izy rehetra mivory mankaty aminao;
ny zanakao lahy tamy avy lavitra;
ny zanakao vavy entina an-trotroana.
       5Hahita izany hianao amin'izay ka ho miramirana;
hibitaka sy hiravoravo ny fonao,
fa hivantana aminao ny haren'ny ranomasina;
ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.
       6Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany
mbamin-drameva avy any Madiana sy Efah hianao;
ny any Saba rehetra ho avy,
hitondra volamena sy emboka manitra,
ary hitory ny fiderana an'ny Tompo.
       7Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara;
hozakainao ny ondralahin'i Nabaiota,
hiakatra ho fanatitra ankasitrahana eo ambony oteliko ireny,
ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
       8Iza moa ireto manidina hoatra ny rahona,
sy hoatra ny voromailala ho eo amin'ny tranony?
       9Fa izaho no antenain'ny nosy;
ary ny sambon'i Tarsisa no ho lohalalana;
hamerina hankaty ny zanakao avy lavitra,
mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany,
ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao,
sy ilay Masin'Israely, satria efa nomeny voninahitra hianao.
       10Ny taranaky ny firenen-kafa, no hanangana ny mandanao,
ary ny mpanjakany ho mpanomponao.
Satria nikapoka anao tamin'ny hatezerako aho,
fa mamindra fo anao, amin'ny fitiavako kosa.
       11Hivoha lalandava ny vavahadinao,
tsy hirindrina izy, na andro na alina,
hampidirana ny haren'ny firenena ho ao aminao,
mbamin'ireo mpanjakany mova tsy ny manotrona ny mpandresy.
       12Fa ho levona ny firenena amam-panjakana tsy hanompo anao,
hofongorana mihitsy izany firenena izany.
       13Ho indray tonga ao aminao ny voninahitr'i Libana,
ny sipresa, ny platana, ny boisa,
handravahana ny fitoerako masina,
dia hataoko be voninahitra ny fitoerana hipetrahan'ny tongotro.
       14Ny zanak'ireo mpampahory anao ho tonga
ao aminao, sady hiondri-doha,
ary izay rehetra naniratsira anao koa hiankohoka amin'ny tongotrao;
ary hianao hantsoina hoe, ny Tananan'ny Tompo,
ilay Sionan'ilay Masin'Israely.
       15Hianao izay efa nariana teo
sy nankahalaina ary nanirery,
dia hataoko reharehan'ny taona rehetra,
sy fifalian'ny taranaka rehetra.
       16Hitsentsitra ny rononon'ny firenena hianao,
sady hitsentsitra ny nonon'ny mpanjaka,
dia ho fantatrao fa izaho Iaveh no Mpamonjy anao,
ary ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
       17Volamena no hampankanesako aty ho solon'ny varahana;
sy volafotsy no havantako aty ho solon'ny vy;
sy varahana ho solon'ny vato;
ny fiadanana no hataoko mpitondra anao,
ary ny fahamarinana no ho mpifehy.
       18Tsy ho re eo amin'ny taninao intsony izay hoe fampahoriana;
na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin'ny faritaninao;
ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena,
ary ny vavahadinao: i Fiderana.
       19Ny masoandro tsy ho fanazavana anao amin'ny andro intsony;
ary ny fisomambisambin'ny volana tsy hitsilo anao intsony;
fa Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao,
ary ny Andriamanitrao no ho voninahitrao.
       20Tsy hilentika intsony ny masoandronao,
ary tsy hihataka intsony ny volanao.
Satria Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao
ary ho tapitra ny andron'ny fisaonanao.
       21Tsy hisy afa-tsy olo-marina eo amin'ny vahoakanao,
ary hanana ny tany mandrakizay izy ireo;
dia izy ireo solofo namboleko,
asan'ny tanako, noharina ho voninahitro.
       22Ny vitsy indrindra ho tonga arivo;
ary ny kely indrindra ho firenena mahery.
Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin'ny fotoanany avy. >