Bokin'Izaia

Toko faha-62

1 Noho ny amin'i Siona tsy hangina aho, ary noho ny amin'i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho, mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan'ny maraina; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo.

2 Hahita ny fahamarinanao ny firenena, hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra, ka hantsoina amin'ny anaram-baovao hianao, izay hofidin'ny vavan'ny Tompo.

3 Ho satro-boninahitra eo an-tanan'ny Tompo hianao, sy ho hamaman'andriana, eo an-tanan'ny Andriamanitsika.

4 Tsy hisy intsony hanao anao hoe i Nafoy; ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe i Faharinganana. Fa ny hiantsoana anao dia ny hoe i Ankasitrahako; ary ny taninao i Vady ampakarina. Satria Iaveh hankasitraka anao; ary ny taninao hahazo vady.

5 Tahaka ny ampakaran'ny zatovo ny virjiny ho vadiny, no hampakaran'ny zanakao anao; ary tahaka ny hamalifalian'ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao.

6 Eo ambonin'ny mandanao, ry Jerosalema, no efa nametrahako mpiambina; ka tsy hangina intsony ireny, na andro na alina.

7 o ry zareo mpampahatsiaro an'ny Tompo o, aza mitsahatra hianareo; ary aza avelanareo hitsahatra izy, mandra-panangany an'i Jerosalema indray, sy mandra-panaony azy ho fideran'ny tany.

8 Iaveh efa nianiana tamin'ny tanany an-kavanana, sy tamin'ny sandriny mahery hoe: Ny varinao tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony, ary tsy hosotroin'ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao, vokatry ny fisasaranao.

9 Fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy, ka hidera an'ny Tompo; ary izay hioty ny voam-boaloboka ihany no hisotro azy, eo amin'ny kianjan'ny fitoerako masina.

10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady hianareo, areno ny lalan'ny vahoaka. Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy; manangana saina eo ambonin'ny vahoaka.

11 Izao no nambaran'ny Tompo, hatrany amin'ny faran'ny tany: Lazao amin'ny zanakavavin'i Siona hoe: Indro, avy ny Mpamonjy anao; ny valisoa homeny efa eny aminy; ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.

12 Izy ireo hantsoina hoe: Firenena masina, Ny navotan'ny Tompo; ary hianao kosa hantsoina hoe: Ilay irina, Tanana tsy foy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1216