Bokin'Izaia
Izaia toko 62, 1-6
Ny famonjena nangatahana sy azo - Aoka ho tonga amin'i Jerosalema ny famonjena - Aoka ny mpiaro an'i Jerosalema hangataka an'Iaveh, hanatanteraka ny fampanantenany - Aoka hionona ny olona rehetra, fa tonga ny Mpamonjy.
1Noho ny amin'i Siona tsy hangina aho,
ary noho ny amin'i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho,
mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan'ny maraina;
sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo.
2Hahita ny fahamarinanao ny firenena,
hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra,
ka hantsoina amin'ny anaram-baovao hianao,
izay hofidin'ny vavan'ny Tompo.
3Ho satro-boninahitra eo an-tanan'ny Tompo hianao,
sy ho hamaman'andriana, eo an-tanan'ny Andriamanitsika.
4Tsy hisy intsony hanao anao hoe i Nafoy;
ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe i Faharinganana.
Fa ny hiantsoana anao dia ny hoe i Ankasitrahako;
ary ny taninao i Vady ampakarina.
Satria Iaveh hankasitraka anao;
ary ny taninao hahazo vady.
5Tahaka ny ampakaran'ny zatovo ny virjiny ho vadiny,
no hampakaran'ny zanakao anao;
ary tahaka ny hamalifalian'ny ampakarina ny mpampakatra,
no hamalifalianao ny Andriamanitrao.
6Eo ambonin'ny mandanao, ry Jerosalema,
no efa nametrahako mpiambina;
ka tsy hangina intsony ireny,
na andro na alina. >