Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 63
Famaliana an'i Edoma - Vavaka ataon'ny mpaminany ho an'Israely.

       1Iza moa ity avy any Edoma,
avy any Bosra, mitafy mena midorehitra?
Mamirapiratra izy amin'izany fitafiana izany,
mijoro amin'ny haben'ny heriny.
- Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana,
sady manan-kery hamonjy.
       2Nahoana no misy mena ity fitafianao,
ary tahaka ny an'izay manosy eo amin'ny famiazam-boaloboka ny akanjonao?
       3Nanosy irery teo amin'ny famiazam-boaloboka aho,
fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko, ny avy amin'ny firenena.
Dia nanosy azy ireo aho, nentin'ny hatezerako,
ary nanitsakitsaka azy aho nentin'ny fahavinirako;
nipitika tamin'ny akanjoko ny ranony,
ka voalotoko avokoa ny fitafiako.
       4Satria andro famaliana no tato am-poko;
ary efa tonga ny taom-panavotana.
       5Nijery aho fa tsy nisy olon-kanampy;
talanjona aho fa tsy nisy olon-kanohana.
Ka dia ny sandriko no namonjy ahy,
ary ny hatezerako no nanohana ahy.
       6Nentin'ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena;
nataoko leon'ny fahavinirako izy ireo;
ary nataoko nandriaka tamin'ny tany ny rany.
       7Hankalazaiko ny famindram-pon'ny Tompo,
ny fiderana an'ny Tompo,
noho izay rehetra efa nataon'ny Tompo ho antsika,
noho ny hatsaram-pony lehibe amin'ny taranak'Israely,
izay nasehony azy araka ny fiantrany,
sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.
       8Fa hoy izy: Eny, oloko izy ireo,
zanaka tsy mba hivadika!
Ka dia Mpamonjy ho azy ireo izy.
       9Tamin'ny fahorian'ireo rehetra, niory koa izy,
ary ny anjelin'ny tavany namonjy azy ireo.
Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony
dia ny tenany no nanavotra azy ireo;
nanohana sy nivimbina azy,
nandritra ny andro rehetra fahiny.
       10Izy ireo kosa anefa niodina sy nampalahelo
ny Fahaniny Masina;
ka dia tonga fahavalon'izy ireo izy tamin'izay,
ary ny tenany no niady tamin'ireny.
       11Dia nahatsiaro ny andro fahiny, ny andron'i Moizy, ny vahoakany!
Aiza ilay nitondra niakatra avy tamin'ny ranomasina,
ny mpiandry ny andian'ondriny?
Aiza ilay nametraka teo amin'izy ireo,
ny Fanahiny Masina,
       12izay nampandeha, teo an-kavanan'i Moizy,
ny sandriny be voninahitra,
izay nampisaraka ny rano teo anoloany,
hahazoany anarana mandrakizay;
       13izay nampandeha azy namaky ny hantsana
ka tsy tafintohina,
tahaka ny soavaly mamaky ny tany lava volo,
       14tahaka ny biby fiompy midina ho eny an-dohasaha?
Notarihin'ny fanahin'ny Tompo ho amin'ny fitsaharana izy.
Toy izany no nitarihanao ny vahoakanao,
mba hahazoanao anarana be voninahitra.
       15Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere,
eny amin'ny fonenanao masina sy be voninahitra.
Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao,
ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao?
Niato izany raha ny amiko.
       16Hianao anefa no rainay;
fa Abrahama tsy mahalala anay,
ary Israely tsy mahafantatra anay.
Hianao, Iaveh, no rainay;
Mpanavotra anay no anaranao, hatrizay ela izay.
       17Nahoana izahay, ry Tompo o, no dia hataonao maniasia lavitra ny lalanao,
ka hamafisinao fo, tsy hatahotra anao?
Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao
sy ny fokon'ny lovanao!
       18Ny vahoakanao masina nizaka ny tany andro kely foana;
ny fitoeranao masina efa nohitsakitsahan'ny fahavalony.
       19Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahanao akory,
sy tsy iantsoana intsony ny anaranao.
Inay hianao mandriatra ny lanitra, dia midina,
- dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra! >