Bokin'Izaia
Izaia toko 7
Izaia sy Akaza - Aoka ny mpanjaka sy ny tandapa tsy hatahotra eo anoloan'ny Siriana, fa hatoky an'Iaveh - Ny famantarana alaina amin'ny virjiny - Loza nateraky ny fahavalo nananika ny tany.
1Tamin'ny andron'i Akaza, zanak'i Joatama, zanak'i Oziasa, mpanjakan'i Jodà, dia niakatra hanafina an'i Jerosalema, Rasima, mpanjakan'i Siria, niaraka tamin'i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan'Israely; nefa tsy nahafaka azy izy. 2Nambara tamin'ny taranak'i Davida izany vaovao izany, fa hoe: Mitoby any amin'i Efraima i Siria. Tamin'izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an'ala ny fon'ny mpanjaka sy ny fon'ny vahoaka. 3Dia hoy Iaveh tamin'Izaia: Mivoaha hianao sy Seara-Jasoba, zanakao, hitsena an'i Akaza eo amin'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, amin'ny làlan'ny sahan'ny mpamotsy lamba; 4ka hianao hilaza aminy hoe:
Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra,
ary aza rera-po foana hianao
eo anatrehan'ireo tapa-porohana roa midonaka ireo,
amin'ny fisafoak'i Rasima sy Siria, ary ny zana-dRomelia.
5Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao
mbamin'i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:
6Andeha isika hananika an'i Jodà,
ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy
ary hanangana ny zanak'i Tabeela ho mpanjaka ao;
7noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!
8Satria fa Damasa no lohan'i Siria,
ary Rasina no lohan'i Damasa;
ka dimy amby enimpolo taona sisa,
dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony Efraima.
9Ary Samaria no lohan'i Efraima,
ny zana-dRomelia no lohan'i Samaria.
Raha tsy mino hianareo, dia tsy haharitra.
10Mbola niteny tamin'i Akaza koa Iaveh nanao hoe: 11Mangataha famantarana amin'ny Tompo Andriamanitrao: mangataha izany, na any amin'ny faravodin'ny seoly, na any amin'ny havoan'ny lanitra. 12Fa hoy Akaza: Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an'ny Tompo aho.
13Ka hoy Izaia:
Mihainoa, ry taranak'i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an'Andriamanitra koa hianareo?
14Noho izany dia tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo:
Indro nanan'anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela.
15Hihinana hero-dronono sy tantely izy,
mandra-pahainy mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.
16Fa alohan'ny hahaizan'io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara,
dia ho rava ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
17Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin'ny fianakavian-drainao,
andro tsy mbola nisy tonga toa azy,
hatramin'ny andro nisarahan'i Efraima tamin'i Jodà,
- dia ny mpanjakan'i Asiria.
18Amin'izany andro izany, Iaveh hisiaka
ny lalitra any amin'ny fara lafin'ny onin'i Ejipta,
sy ny renitantely, any amin'ny tanin'i Asiria.
19Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa
eny amin'ny lohasaha mideza,
sy eny an-tsefatsefa-karambato,
any amin'ny hazo madinika milobolobo, mbamin'ny tany fiandrasana biby rehetra.
20Amin'izany andro izany ny Tompo hanaratra,
amin'ny hareza nahofany tany an-dafin'ny ony,
- dia amin'ny mpanjakan'i Asiria,
- ary hoesoriny koa ny volom-bava.
21Amin'izany andro izany, ny olona iray hiompy
ombivavy iray sy ondrivavy roa;
22ka noho ny habetsahan'ny ronono avy amin'ireny
dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona;
fa hero-dronono sy tantely no fihinan'
ny olona rehetra tafajanona eo amin'ny tany.
23Amin'izany andro izany ny tany rehetra
misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo,
dia ho rakotra hery sy tsilo.
24Zana-tsipìka aman-tsipìka, no ho enti-miditra ao,
fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin'ny tany rehetra.
25Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa amin'ny antsetra fiavana
tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo;
fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahan'ny ondry. >