Bokin'Izaia
Izaia toko 7, 10-14.8
<8Satria fa Damasa no lohan'i Siria,
ary Rasina no lohan'i Damasa;
ka dimy amby enimpolo taona sisa,
dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony Efraima.
10Mbola niteny tamin'i Akaza koa Iaveh nanao hoe: 11Mangataha famantarana amin'ny Tompo Andriamanitrao: mangataha izany, na any amin'ny faravodin'ny seoly, na any amin'ny havoan'ny lanitra. 12Fa hoy Akaza: Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an'ny Tompo aho.
13Ka hoy Izaia:
Mihainoa, ry taranak'i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an'Andriamanitra koa hianareo?
14Noho izany dia tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo:
Indro nanan'anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela. >