Bokin'Izaia

Toko faha-8

1 Ary hoy Iaveh tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty eo, amin'ny soratra azon'ny olona rehetra vakina, izao: Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.

2 Ary naka vavalombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria zanak'i Jebarakia. 3 Dia nanatona ny mpaminany vavy aho ary nanan'anaka izy, ka niteraka zazalahy. Ary hoy Iaveh tamiko: Ataovy hoe: Maher-Salala-Kasy-Baza ny anarany. 4 Fa alohan'ny hahaizan'io zaza io miantso hoe: Idada sy Ineny dia hoaterina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asiria ny haren'i Damasa sy ny babo azo tamin'i Samaria. 5 Izao koa no nolazain'ny Tompo tamiko:

6 Satria ity firenena ity nanazimba ny ranon'i Siloe misononoka fandeha, sy mifaly noho ny amin-dRasina sy ny zana-dRomelia,

7 noho izany, indro hampiakarin'ny Tompo hanafika azy ireo, ny ranon'ny ony, sady mahery no lalina, dia ny mpanjakan'i Asiria mbamin'ny heriny rehetra: ny masondranony rehetra hosaforany, ary ny morony rehetra hihoarany;

8 ho tafatsofoka amin'i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrontra mandra-pahatongany havozona, ary ny fivelaran'ny elany handrakotra ny tampon'ny taninao rehetra ry Emmanoela ô!

9 Manaova akoran'ady, ry vahoaka, nefa ho resy hianareo! Manongilàna sofina hianareo rehetra, ry faravazan'ny tany. Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy hianareo! Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy hianareo e!

10 Manaova fikasana, nefa hofoanana izany; manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany; satria momba anay Andriamanitra!

11 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko, raha mandray ahy ny tànany, sy nanoro ahy tsy hanaraka ny làlan'ity firenena ity, nanao hoe:

12 Aza miantso hoe tetika fikomiana izay rehetra ataon'ity vahoaka ity hoe tetika fikomiana. Aza matahotra izay atahorany, na mangovitra akory hianareo.

13 Iavehn'ny tafika, dia izy no hohamasininareo, izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.

14 Dia ho fitoerana masina izy, nefa koa ho vato fanafintohinana sy ho vatolampy mahasolafaka ho an'ny firenena roa amin'Israely, ho fandrika aman-tonta ho an'ny mponina eny Jerosalema.

15 Maro amin'izy ireo no ho tafintohina, ho lavo, sady ho montsamontsana; ary ho voafandrika sy ho voasambotra.

16 Fehezo ny teni-vavolombelona, asio tombo-kase ny fampianarana ao am-pon'ny mpianatro.

17 Manantena an'ny Tompo izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba aho, ary matoky azy.

18 Inty aho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin'Israely izahay, avy amin'ny Tompon'ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siona.

19 Raha avy izay hilazany aminareo hoe: Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin'ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika, valio hoe: Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian'ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an'ny velona?

20 Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan'ny marina ho azy.

21 Hirenireny amin'ny tany, votom-pahoriana sy mosarena, ary rahefa noana izy hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamaniny amin'ny fiafonafonany.

22 Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin'ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny aizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin'ny aizim-pito izy.

23 Tsy hisy intsony anefa ny aizim-pito, amin'ny tany nozoim-pahoriana. Toy ny nanotofan'ny andro taloha fahafaham-baraka, ny tany Zabolona sy ny tany Neftali, no hamenoan'ny andro farany voninahitra, ny làlan'ny ranomasina, ny tany an-dafin'i Jordany, ary ny faritanin'ny firenena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0692