Bokin'Izaia
Izaia toko 9, 1-9
Ny andrian-ko avy - Fitsarana an'i Samaria sy ny fanjakan'i Efraima.
1Ny vahoaka nandeha tamin'ny aizim-pito, nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan'ny mazava.
2Nampitombo ny vahoakanao hianao,
ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
3Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin'ny mpitoroka azy,
dia samy notapahinao, toy ny tamin'ny andron'i Madiana.
4Ny kapan'ny mpiady rehetra tamin'ny fikatrohana
mbamin'ny kapaoty nihosin-dra rehetra,
dia atao anatin'ny afo:
ka levon'ny afo.
5Fa misy zaza teraka ho antsika;
zazalahy nomena antsika;
ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony;
ary ny anarany atao hoe:
Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay, Andrian'ny fiadanana,
6mba hanitatra ny fanjakana,
sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana,
ho an'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,
mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy,
amin'ny hitsiny sy ny rariny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Ny zotom-pon'ny Tompon'ny tafika no hanatanteraka izany.
7Nandefa teny ho an'i Jakoba, ny Tompo,
ary mihatra amin'Israely izany;
8hahalala izany avokoa ny vahoaka,
dia Efraima sy ny mponina any Samaria,
izay miteny amim-piavonavonana
sy amim-pireharehan'ny fony manao hoe:
9Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika,
voakapa ny aviavy fa sedera kosa no hasolontsika azy. >