Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 20, 7-9

       <7Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika.
Nosamborinao aho, ka nahery hianao.
Zavatra fihomehezana aho isan'andro;
maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
       8Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,
manambara loza sy fandringanana,
ka ny tenin'ny Tompo tonga
fandatsana sy fihomehezana ahy isan'andro.
       9Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho,
tsy hiteny amin'ny anarany intsony aho!...
dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,
voahidy ao anatin'ny taolako;
nanao izay hihazonana azy aho
nefa tsy nahatana azy. >