Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-3

1 Ry rahalahiko, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.

2 Fa manota amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy tsy manota amin'ny teny, olona lavorary izy, ka mahafehy ny tenany rehetra koa. 3 Raha te-hitondra ny soavaly isika, ny vavany no asiantsika lamboridy, dia zakantsika mbamin'ny tenany rehetra koa. 4 Jereo koa ange ny sambo: fanamory kely foana no anodinan'ny mpitondra azy amin'izay tiany, na toy inona habeny, na ahoana hamafin'ny rivotra manoha azy. 5 Toy izany koa ny lela: rantsam-batana kely foana izy, nefa zava-dehibe no mety ho vitany. Jereo izay afo kely foana: dia ala lehibe manao ahoana no doroany! 6 Ny lela koa dia afo; fototry ny haratsiana maro izy. Eo amin'ny rantsam-batantsika, dia izy no mandoto ny tenantsika manontolo; arehitry ny gehen'afo izy, ka mandrehitra ny fandehan'ny andro iainantsika. 7 Azo folahina avokoa ny biby isan-karazany, ny vorona, ny biby mandady, mbamin'izay any an-dranomasina, ka efa voafolaky ny olombelona; 8 fa tsy misy olona nahafolaka ny lela na dia iray aza. Zava-mandoza tsy laitra tohanana izy, sady feno poizina mahafaty. 9 Izy no isaorantsika an'Andriamanitra Raintsika, nefa izy ihany koa no anozonantsika ny olona izay natao mitovy endrika amin'Andriamanitra: 10 koa iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Tsy mety anefa ny toy izany, ry rahalahiko. 11 Moa ny vavan'ny loharano iray va mamoaka rano mamy sy mangidy? 12 Moa ny aviavy, ry rahalahiko, mety mamoa oliva; na ny foto-boaloboka va, mamoa voan'aviavy? Toy izany koa, ny loharano masirasira tsy mahay mamoaka rano mamy. 13 Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin'ny fitondrany tena tsara ny asan'ny halemem-panahy amam-pahendreny.

14 Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina. 15 Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa avy amin'ny tany, sy ara-batana, ary avy amin'ny demony; 16 satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa. 17 Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indra fo amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. 18 Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1474