Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba
Toko faha-5
1 Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.2 Ny harenareo efa lò; ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao; 3 ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin'ny andro farany hianareo. 4 Indro, mitaraina ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mbý ao an-tsofin'ny Tompon'ny tafika ny fitarainany. 5 Nivelona teto an-tany tamin'ny hanim-py hianareo sy nanaram-batana tamin'ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin'ny andro fandringanana hianareo. 6 Nanameloka sy namono ny olo-marina hianareo, fa tsy nanohitra anareo izy. 7 Koa mahareta àry, ry rahalahiko, mandra-pihavin'ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny voka-tsoan'ny tany: mandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
8 Aoka àry hianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fihavian'ny Tompo. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahiko, fandrao dia helohina hianareo. Indro efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara! 10 Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin'ny anaran'Andriamanitra, ry rahalahy, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana. 11 Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra. Efa renareo ny niaretan'i Joba; ary efa hitanareo koa ny nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany. Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra. 12 Fa alohan'ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, dia aza mianiana akory, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'ny zavatra hafa; fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia, mba tsy hiharan'ny fitsarana hianareo.
13 Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
14 Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran'ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo. 15 Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary; hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany. 16 Koa mifampieke fahotana hianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana hianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon'ny olo-marina an-kafanam-po. 17 Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana; 18 ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany. 19 Ry rahalahiko, raha misy ao aminareo miala amin'ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy,
20 dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.