Ny Jenezy

Toko faha-10

1 Izao no taranak'i Sema sy Kama ary Jafeta, zanak'i Noe. Nitera-dahy izy ireo taorian'ny safo-drano.

2 Zanak'i Jafeta: Gomera, Magoga, Maday, Javàna, Tobala, Mosòka, ary Tirasa.

3 Zanak'i Gomera: Aseneza, Rifata, ary Togorma. 4 Zanak'i Javàna: Elisà sy Tarsisa ary Setima sy Dodanima. 5 Avy tamin'ireo no ihavian'ny vahoaka miely amin'ny nosim-pirenena any amin'ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy. 6 Zanak'i Kama: Kosy, Mesraima, Fota, ary Kanaana.

7 Zanak'i Kosy: Sabà, Hevilà, Sabatà, Regmà ary Sabatakà. Zanak'i Regma: Sabà sy Dadàna. 8 Kosy niteraka an'i Nemroda, izay voalohan'olona manam-pahefana tamin'ny tany. 9 Mpihaza mahery teo anatrehan'ny Tompo izy, ka izany no anaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nemroda mpihaza mahery eo anatrehan'ny Tompo. 10 Ny niandohan'ny fanjakany dia Babela, Aràka, Akada, ary Kalane any amin'ny tany Senaara. 11 Avy ao amin'io tany io izy dia nankany Asora, ka nanorina an'i Niniva, Rekobota-Ira, Kale, 12 ary Resena anelanelan'i Niniva sy Kale; io no ilay tanàna lehibe. 13 Mesraima niteraka ny Lodima, ny Anamima, ny Laabima, ny Neftoima, 14 ny Fetrosima, ny Kasloima, izay ihavian'ny Filistina ary ny Faftorima. 15 Kanaana niteraka an'i Sidòna lahimatoany, sy Heta; 16 ary koa ny Jeboseana, ny Amoreana, ny Jerijeseana, 17 ny Heveana, ny Araseana, ny Sineana, 18 ny Aradiana, ny Semareana, ary ny Amateana. Ary nony taty aoriana niely ny fokon'ny Kananeana. 19 Ka ny faritanin'ny Kananeana tafapaka hatrany Sidòna amin'ny tandrifin'ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin'ny tandrifin'i Sodoma, Gomora, Adama ary Seoima, dia hatrany Lesà. 20 Ireo no taranak'i Kama, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny avy, any amin'ny taniny sy any amin'ny fireneny avy. 21 Dia nitera-dahy koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra, sy zokin'i Jafeta.

22 Zanak'i Sema: Elama, Asora, Arfaksada, Loda, ary Arama. 23 Zanak'i Arama: Osa, Hola, Getera, ary Mesa. 24 Arfaksada niteraka an'i Sale, ary Sale niteraka an'i Ebera. 25 Roa lahy no zanak'i Ebera, ka Falega no anaran'ny anankiray, fa tamin'ny androny dia voazara ny tany, ary Jektàna no anaran'ny rahalahiny. 26 Jektàna niteraka an'i Elmodada, Salefa, Asarmota, Jare, 27 Adorama, Ozala, Deklà, 28 Ebala, Amimaèla, Sabà, 29 Ofira, Hevilà, ary Jobaba. 30 Izy rehetra ireo dia zanak'i Jektàna. Ny tany nonenan'izy ireo dia ny tendrombohitra atsinanana hatrany Mesà manitsy an'i Sefara. 31 Ireo no taranak'i Sema, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny, any amin'ny taniny avy, araka ny fireneny avy. 32 Ireo no fianakavian'ny zanak'i Noe, araka ny taranany, any amin'ny fireneny avy. Avy amin'ireo ny firenena niely teto ambonin'ny tany, aorian'ny safo-drano.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0985