Ny Jenezy
Jenezy toko 11
Tilikambon'i Babela - Fiparitahan'ny firenen'olona - Tety razan'ny Semita, hatramin'i Abrahama.
1Iray fiteny sy iray fanonona ny tany rehetra. 2Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin'ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo. 3Dia nifampilaza izy nanao hoe: Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin'ny afo. Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra. 4Hoy koa izy: Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanangana tsangam-bato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin'ny tany rehetra isika. 5Fa nidina kosa Iaveh hizaha ny tanàna aman-tilikambo nataon'ny zanak'olombelona. 6Dia hoy Iaveh: Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan'izy rehetra, ary ity asa ity no iandohan'izay tiany hatao; amin'izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao. 7Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy. 8Dia napariak'Iaveh avy eo izy ireo ho any ambonin'ny tany rehetra, ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony. 9Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela, satria tao no nanorokoroan'ny Tompo ny fitenin'ny tany rehetra, ary avy ao no nampielezan'ny Tompo azy ireo ho any ambonin'ny tany rehetra.
10Izao no tantaran'i Sema: Efa zato taona Sema, vao niteraka an'i Arfaksada, roa taona taorian'ny safo-drano. 11Mbola velona diman-jato taona Sema taorian'ny niterahany an'i Arfaksada, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 12Rahefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arfaksada, dia niteraka an'i Sale izy. 13Ary mbola velona telo amby efa-jato taona Arfaksada, taorian'ny niterahany an'i Sale, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 14Rahefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sale dia niteraka an'i Ebera izy. 15Ary mbola velona telo amby efa-jato taona Sale taorian'ny niterahany an'i Ebera, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 16Rahefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera dia niteraka an'i Falega izy. 17Ary mbola velona telo-polo sy efa-jato taona Ebera, taorian'ny niterahany an'i Falega, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 18Rahefa telo-polo taona ny andro niainan'i Falega dia niteraka an'i Reo izy.
19Ary mbola velona sivy amby roan-jato taona Falega taorian'ny niterahany an-dReo, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 20Rahefa roa amby telo-polo taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Saroga izy. 21Ary mbola velona fito sy roan-jato taona Reo, taorian'ny niterahany an'i Saroga, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 22Rahefa telo-polo taona ny andro niainan'i Saroga dia niteraka an'i Nakora izy. 23Ary mbola velona roan-jato taona Saroga, taorian'ny niterahany an'i Nakora, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 24Rahefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nakora, dia niteraka an'i Tare izy. 25Ary mbola velona sivy ambin'ny folo amby zato taona Nakora taorian'ny niterahany an'i Tare, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. 26Rahefa fito-polo taona ny andro niainan'i Tare, dia niteraka an'i Abrama sy Nakora ary Aràna izy.
27Izao no tantaran'i Tare: Tare niteraka an'i Abrama sy Nakora ary Aràna. Aràna niteraka an'i Lota. 28Ary Aràna maty teo anatrehan'i Tare rainy, tany amin'ny tany nahaterahany, any Ora any Kaldea. 29Abrama sy Nakora samy naka vady avy; ka ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray, ary ny anaran'ny vadin'i Nakora dia Meldà, zanak'i Aràna, rain'i Melkà sy rain'i Jeskà. 30Ary Saray dia momba; tsy niteraka izy.
31Ary nentin'i Tare Abrama zanany mbamin'i Lota zafiny, zanak'i Aràna, ary Saray, vinantovaviny, vadin'i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin'ny Kaldeana, mba ho any amin'ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao. 32Dimy amby roan-jato taona no andro niainan'i Tare, dia maty tao Haràna izy. >